Ary rehefa vitany izany, dia hoy indray razazavavy hoe: –Hantsaka ho an’ny ramevanao koa aho ambara-pisotron’izy rehetra.
1Petera 4:9 - DIEM PROTESTANTA Mifampiantranoa ka aza asiana monomonona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mifampiantranoa ka aza mimonomonona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mifampiantranoa ka aza asiana monomonona. Baiboly Katolika Mifampiantranoa, ka aza asiana monjomonjo. Baiboly Protestanta Malagasy Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona. Malagasy Bible Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona. La Bible en Malgache Mifampiantranoa ka aza mimonomonona. |
Ary rehefa vitany izany, dia hoy indray razazavavy hoe: –Hantsaka ho an’ny ramevanao koa aho ambara-pisotron’izy rehetra.
mandraisa anjara amin’ny fanampiana ireo sahirana amin’ny samy vahoakan’Andriamanitra; mazotoa mandray vahiny.
Manao veloma anareo i Gaio, ilay mampiantrano ahy sady ivorian’ny Fiangonana manontolo. Manao veloma anareo i Erasta mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna; ary manao veloma anareo i Koarta havantsika. [
Aoka samy hanome araka izay nokasain’ny fony avy, tsy amin’alahelo na an-terivozona, satria ny mpanome an-kafaliana no tian’Andriamanitra.
Koa ny mpitondra Fiangonana dia tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mampirafy, mahafehy tena, matotra, maotina, mahay mandray olona, havanana amin’ny fampianarana;
tokony hahay mandray vahiny, hankamamy ny toetra tsara, hahafehy tena, ho tia rariny, ho masina, hahonon-tena;
Kanefa tsy te hanao na inona na inona aho raha tsy teny ierana aminao; tsy tiako ny hanoavanao ahy tsy sazoka fa mba ho nahim-ponao tokoa.
Aza hadinoina ny fanaovan-tsoa sy ny fifanampiana, fa sorona toy izany no sitrak’Andriamanitra.
Tsarovy ny fampiantranoam-bahiny. Nisy tokoa izay mahavatra nanao izany ka hay anjely aza no nampandrosoiny nefa tsy fantany.
Aza mifampimonomonona ianareo, ry havana, mba tsy hanamelohan’Andriamanitra anareo. Indro ny mpitsara efa mijoro eo am-baravarana.