Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Petera 4:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, mova tsy mpitandrim-pananana mitantana tsara ny fanomezana maro samy hafa avy amin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, tahaka ny mpitantana tsara ny fahasoavan’Andriamanitra izay miasa amin’ny fomba maro samihafa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, mova tsy mpitandrim-pananana mitantana tsara ny fanomezana maro samy hafa avy amin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Mifanompoa manaraka ny fanomezam-pahasoavana noraisinareo avy, fa samy manana ny soa nomen’Andriamanitra azy avy, ka mahaiza mizara tsara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, tahaka ny mpitantana tsara ny fahasoavan’Andriamanitra izay miasa amin’ny fomba maro samihafa.

Jereo ny toko dika mitovy




1Petera 4:10
29 Rohy Ifampitohizana  

Dia tahaka ny Zanak’olona izany: tsy hotompoina manko no nahatongavany fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!


Ary dia hatao antso avo eran’izao tontolo izao ity Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’Andriamanitra ity, mba ho vavolombelona amin’ny firenen-drehetra; izay vao ho tonga ny farany.


Amin’izany mantsy, dia hisy fijaliana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy toa azy intsony koa.


–Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren’ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ny anjara sakafony ara-potoana?


Toy izany koa no nataon’ilay nandray ny denàry 12 000 ka nahazo tombony denàry 12 000.


Ary dia hanontany Azy kosa ireo ka hanao hoe: «Tompo ô, oviana Ianao no hitanay noana na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany am-ponja ka tsy nampianay?»


Satria tsy hotompoina no nahatongavan’ny Zanak’olona, fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!


Ka hoy ny Tompo hoe: –Iza moa no mpanompo mahatoky sy mato-tsaina notendren’ny tompony ho mpandraharaha hifehy ireo mpanompony sady hanome azy ireo ny anjara sakafony ara-potoana?


Niantsoany folo lahy ny mpanompony talohan’ny hiaingany, ka samy nomeny denàry zato avy sady nataony hoe: «Ampiasao ireny mandra-piveriko.»


sy i Jôhanina, vadin’i Kozà mpitandrim-pananan’i Herôda, ary i Sozanina sy ny maro hafa koa. Ireo vehivavy ireo dia samy nanampy an’i Jesoa sy ny mpianany tamin’ny fananany.


Izao anefa aho dia hankany Jerosalema hitondra fanampiana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra any.


Eny, sitrapony tokoa izany, sady adidiny amin’ireo mahantra ireo: satria ny kristianina jiosy tany Jerosalema dia nizara ny harena ara-panahy nananany tamin’ireo hafa firenena; ka adidin’ny kristianina hafa firenena kosa ny manompo azy ireo amin’ny harena ara-nofo.


Saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy, ary tsy very maina tao amiko ny fahasoavana nomena ahy; fa niasa mihoatra noho ny apôstôly rehetra aho, kanefa tsy izaho, fa ilay fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko.


Araka ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy, dia nametraka ny fototra toy ny mpità-marika mahay aho; ary olon-kafa no mandrafitra eo ambonin’izany. Kanefa aoka samy hitandrina tsara ny fomba andrafetany;


Iza moa no nanondrotra anao ho ambonin’ny sasany? Inona no anananao ka tsy noraisinao tamin’Andriamanitra? Ary raha nandray tamin’Andriamanitra ianao, nahoana no dia mirehareha hoatra ny tsy nandray?


Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay, ka mananatra anareo mba tsy hamela ho very maina ny fahasoavana voarainareo taminy.


Momba ny fanampiana ho an’ny vahoakan’Andriamanitra any Jodea, dia tsy misy tokony hanoratako aminareo.


Kely noho izay bitika indrindra amin’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra aho, kanefa nomen’Andriamanitra izany tombon-tsoa izany: dia ny hitory amin’ny hafa firenena ny Vaovao Mahafaly momba ny haren’i Kristy tsy hita lany,


Izy mihitsy no nanolotra fanomezana manokana ho an’ny olona, ka nanao ny sasany ho apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho mpitory ny Vaovao Mahafaly, ny sasany ho mpiandry sy ho mpampianatra.


Mba hataon’ny Tompo hahita ny famindrampony anie izy amin’ny andro fitsarana! Fantatrao tsara dia tsara koa ny fikarakarana rehetra nataony tamiko tao Efeso.


Eny, ny mpitondra Fiangonana dia mpandraharaha ny asan’Andriamanitra, ka tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpidoroka, tsy mahery vaika, tsy maloto fila harena;


Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin’ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo.


Rehefa avy niaritra fijaliana vetivety kosa ianareo, dia ilay Andriamanitra loharanon’ny fahasoavana rehetra, Izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’ny Kristy Jesoa, no handavorary sy hankahery anareo ary hanamafy sy hampiorina anareo.


Amin’ny alalan’i Silasy, rahalahy mahatoky, no nanoratako fohifohy taminareo; mananatra anareo aho sy manambara aminareo fa izany no tena fahasoavan’Andriamanitra, ka tomoera tsara amin’izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra