Amin’izany andro izany, dia hatolotry ny olona ianareo hampijalîna sy hovonoina; ary ho halan’ny firenen-drehetra ianareo, satria miandany amiko.
1Petera 4:6 - DIEM PROTESTANTA Fa izany no nitoriana ny Vaovao Mahafaly tamin’izay maty aza: mba ho velona araka ny fomban’Andriamanitra izy ao amin’ny fanahy, rehefa notsaraina tao amin’ny nofo araka ny fomban’ny olona. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa noho izao no nitoriana ny Filazantsara tamin’izay maty aza mba hotsaraina araka ny olona amin’ny nofo izy fa ho velona araka an’Andriamanitra amin’ny fanahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa izany no nitoriana ny Vaovao Mahafaly tamin’izay maty aza: mba ho velona araka ny fomban’Andriamanitra izy ao amin’ny fanahy, rehefa notsaraina tao amin’ny nofo araka ny fomban’ny olona. Baiboly Katolika Fa izany no nitoriana ny Evanjely tamin’ny maty koa, dia mba ho velona araka an’Andriamanitra izy amin’ny fanahy, rehefa notsaraina araka ny fomban’ny olona amin’ny nofo. Baiboly Protestanta Malagasy Fa noho izao no nitoriana ny filazantsara tamin’izay maty aza: mba hotsaraina araka ny olona amin’ny nofo izy, fa ho velona araka an’Andriamanitra amin’ny fanahy. Malagasy Bible Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy. La Bible en Malgache Fa noho izao no nitoriana ny Filazantsara tamin’izay maty aza mba hotsaraina araka ny olona amin’ny nofo izy fa ho velona araka an’Andriamanitra amin’ny fanahy. |
Amin’izany andro izany, dia hatolotry ny olona ianareo hampijalîna sy hovonoina; ary ho halan’ny firenen-drehetra ianareo, satria miandany amiko.
Fa ny fanapahan’ny Fanahy Masina, mpanome aina ho an’izay tafaray amin’i Kristy Jesoa, dia nanafaka ahy tsy ho voafehin’ny fanapahan’ny fahotana sy ny fahafatesana.
Fa izaho, dia tamin’ny alalan’ny lalàna no nahafatesako raha ny amin’ny lalàna mba hahavelomako ho an’Andriamanitra. Niara-nohomboana tamin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana aho;
Raha ny Fanahy Masina tokoa no manome aina antsika, dia aoka hizotra araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina koa isika;
Nasehon’Andriamanitra tamin’ireo mpaminany fa ny zavatra nomena horaharahainy dia tsy natao ho azy ireo fa natao ho anareo; ary izany zavatra izany dia nampandrenesina anareo ankehitriny, tamin’ny alalan’ireo olona izay nombàn’ny Fanahy Masina nirahina avy tany an-danitra ka nitory ny Vaovao Mahafaly taminareo. Eny, izany zavatra izany aza dia irîn’ireo anjely hodinihina.
Fa i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. Novonoina tao amin’ny nofo i Kristy, fa novelomina araka ny Fanahy Masina.
Ary nisy anjely anankiray hafa koa nipoitra avy teo amin’ny alitara, dia anjely manam-pahefana amin’ny afo. Niantso tamin’ny feo mahery izy ka nanao tamin’ilay anjely manana antsy maranitra fijinjana hoe: «Ampiasao ny antsy fijinjànao ka otoazy ny sampahom-boaloboka eny amin’ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.»