18 Fa i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. Novonoina tao amin’ny nofo i Kristy, fa novelomina araka ny Fanahy Masina.
18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina mba hitondrany antsika ho amin’Andriamanitra ka novonoina araka ny nofo Izy, fa novelomina araka ny fanahy
18 Fa i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. Novonoina tao amin’ny nofo i Kristy, fa novelomina araka ny Fanahy Masina.
18 Na i Kristy koa aza, niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy.
18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo, fa novelomina tamin’ny fanahy,
18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy,
18 Fa Kristy* koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina mba hitondrany antsika ho amin’Andriamanitra ka novonoina araka ny nofo Izy, fa novelomina araka ny fanahy
Rehefa tapitra ny fito taona in-62, dia hisy lehilahy voahosotra iray hovonoina ho faty nefa tsy hisy hiaro azy. Ary tafika entin’ny mpitarika iray no handrava ny tanàna sy ny toera-masina; kanefa hanam-piafarana io mpitarika io fa hitosahan’ny fahatezeran’Andriamanitra; saingy mandra-pahatapitry ny ady dia hisy fandravana araka ny efa voatendry.
Mifalia dia mifalia, ry mponin’i Tsiôna! Manaova fihobiana, ry vahoakan’i Jerosalema! Indro ny Mpanjakanareo avy aty aminareo; marina sady mandresy Izy, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky, dia boriky tanora zana-borikivavy.
Ary raha mbola nipetraka teo amin’ny fitsarana iny i Pilato, dia naniraka olona ny vadiny hilaza aminy hoe: «Aza manao na inona na inona amin’io olo-marina io, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy any naraina izay!»
Fa hoy i Hananià: «Efa voafidin’ilay Andriamanitry ny razantsika ianao mba hahafantatra ny sitrapony ary hahita an’ilay hany Marina sy handre ny teny aloaky ny vavany.
Ary raha monina ao anatinareo ny Fanahin’ilay Andriamanitra nanangana an’i Jesoa ho velona avy tany amin’ny maty, dia Izy nanangana an’i Jesoa ho velona avy tany amin’ny maty no hamelona koa ny vatanareo mety maty, amin’ny alalan’ilay Fanahiny monina ao anatinareo.
Satria izay tsy vitan’ny lalànan’i Mosesy, noho ny lalàna nolemen’ny maha olona mpanota, dia notontosain’Andriamanitra. Voahelok’Andriamanitra ny fahotana tao amin’ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny Zanany, Izay naka ny endriky ny maha olombelona mba hanaisotra ny fahotana.
Voahombo tamin’ny hazofijaliana i Kristy noho ny fahalemeny, kanefa dia velona kosa izao noho ny herin’Andriamanitra. Miombona amin’ny fahalemen’i Kristy izahay ankehitriny; kanefa hiseho fa velona miaraka amin’i Kristy izahay, ka ny herin’Andriamanitra no hampiharinay aminareo.
Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.
I Kristy dia nanavotra anay Jiosy ho afaka amin’ny ozona tanisain’ny lalàna; fa nanjary niharan’ny ozona Izy ho famonjena anay satria hoy ny Soratra Masina hoe: «Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo!»
I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.
vao mainka ny ran’i Kristy no hanadio ny fieritreretantsika; fa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izay velona mandrakizay no nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona tsy manan-tsiny ho an’Andriamanitra; ka ny rany dia manadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ireo asa mitondra fahafatesana, mba hanompoantsika an’ilay Andriamanitra velona.
raha izany, dia tsy maintsy ho nijaly matetika Izy hatrizay nahariana an’izao tontolo izao. Fa niseho indray mandeha monja Izy tamin’izao andro tena farany izao, mba hanaisotra ny ota tamin’ny nanolorany tena ho sorona.
toy izany koa i Kristy: voatolotra ho sorona indray mandeha monja Izy, mba hanesorana ny otan’ny besinimaro. Hiseho fanindroany Izy, kanefa tsy hanaisotra ota intsony amin’izay fa hamonjy an’ireo miandry Azy.
Noho i Kristy efa nijaly tao amin’ny nofo, dia raiso ho fiadianareo koa ny toe-tsaina nananany; satria izay olona nijaly tao amin’ny nofo dia nampitsaharina tamin’ny ota,
Fa izany no nitoriana ny Vaovao Mahafaly tamin’izay maty aza: mba ho velona araka ny fomban’Andriamanitra izy ao amin’ny fanahy, rehefa notsaraina tao amin’ny nofo araka ny fomban’ny olona.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mitana ny toky nomeny Andriamanitra sady miantra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny ratsy isan-karazany.