Koa misasà ary midiova ianareo; esory tsy ho hitako intsony ny asa ratsy fanaonareo, atsaharo ny manao ratsy.
1Petera 4:1 - DIEM PROTESTANTA Noho i Kristy efa nijaly tao amin’ny nofo, dia raiso ho fiadianareo koa ny toe-tsaina nananany; satria izay olona nijaly tao amin’ny nofo dia nampitsaharina tamin’ny ota, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy dia raiso mba ho fiadianareo koa izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa nitsahatra tamin’ny ota Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noho i Kristy efa nijaly tao amin’ny nofo, dia raiso ho fiadianareo koa ny toe-tsaina nananany; satria izay olona nijaly tao amin’ny nofo dia nampitsaharina tamin’ny ota, Baiboly Katolika Koa noho i Kristy efa nijaly tamin’ny nofo ho antsika àry, dia raiso hofidina izao hevitra izao: izay nijaly tamin’ny nofo dia nitsahatra tamin’ny ota. Baiboly Protestanta Malagasy Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka amin’ny ota; Malagasy Bible Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka tamin'ny ny ota; La Bible en Malgache Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy* dia raiso mba ho fiadianareo koa izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa nitsahatra tamin’ny ota |
Koa misasà ary midiova ianareo; esory tsy ho hitako intsony ny asa ratsy fanaonareo, atsaharo ny manao ratsy.
ary handoro ny tranonao. Hotanterahiny eo imason’ny vehivavy marobe ny didim-pitsarana famaizana anao. Hofaranako hatreo ny fiainam-pijangajanganao ka tsy handoa tamby amin’ny lehilahy intsony ianao.
Toy izany koa, aoka ianareo hihevitra ny tenanareo ho efa maty raha ny amin’ny fahotana fa velona ho an’Andriamanitra kosa ao amin’i Kristy Jesoa.
Sanatria izany! Isika izay efa maty raha ny amin’ny fahotana, hataontsika ahoana no mbola ho velona ao amin’ny fahotana ihany?
ary tsy izaho intsony no velona fa i Kristy no velona ato anatiko. Koa izao ahavelomako ankehitriny amin’ny fiaina-mandalo izao, dia ivelomako amin’ny finoana niainan’ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay efa tia ahy sy nanolo-tena hamonjy ahy:
Ireo voatokana ho an’i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin’ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin’ny filàndratsiny amam-paniriany.
Noho izany, raiso avokoa ny fiadiana omen’Andriamanitra, mba hahazoanareo manohitra ny fahavalo amin’ny andro ratsy; ka rehefa nandresy ny famelezana rehetra nafitsony ianareo, dia mbola hamahatra tsara ihany.
Koa henoy ny feon’ny TOMPO Andriamanitrareo ary tanteraho ny didy aman-dalàny izay ampitaiko aminareo anio.
Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo.
Fa izay tafiditra ao amin’ny fitsaharana voaoman’Andriamanitra, dia mitsahatra amin’ny asany tahaka ny nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny Azy.
Eny, izany no niantsoan’Andriamanitra anareo; fa i Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany:
Fa i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. Novonoina tao amin’ny nofo i Kristy, fa novelomina araka ny Fanahy Masina.