Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Petera 3:17 - DIEM PROTESTANTA

Eny, raha izany no sitrapon’Andriamanitra, dia aleo mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-tsoa toy izay amin’ny fanaovan-dratsy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa tsara kokoa ny mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-tsoa, raha izany ny sitrapon’Andriamanitra, noho ny mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-dratsy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Eny, raha izany no sitrapon’Andriamanitra, dia aleo mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-tsoa toy izay amin’ny fanaovan-dratsy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa aleo amin’ny fanaovan-tsoa no miaritra fahoriana, raha izany no sitrapon’Andriamanitra, toy izay amin’ny fanaovan-dratsy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha sitrapon’Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin’ny fanaovan-tsoa noho ny amin’ny fanaovan-dratsy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha sitrapon'Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa noho ny amin'ny fanaovan-dratsy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa tsara kokoa ny mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-tsoa, raha izany ny sitrapon’Andriamanitra, noho ny mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-dratsy.

Jereo ny toko



1Petera 3:17
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia nandroso kely i Jesoa, ary niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka hoe: –Raiko ô, raha azo atao, esory lavitra Ahy izao fijaliana izao; kanefa tsy hoe araka izay sitrapoko, fa araka izay sitraponao!


Dia nihataka fanindroany i Jesoa ary nivavaka hoe: –Raiko ô, raha tsy azo esorina izao fijaliana izao fa tsy maintsy hiaretako, dia aoka ny sitraponao no hatao!


fa nanao veloma azy sady niteny hoe: –Raha sitrapon’Andriamanitra, dia mbola hiverina atỳ aminareo aho. Ary dia niondrana an-tsambo niala tao Efeso i Paoly.


Tsy naharesy lahatra azy izahay fa niala maina ka nilaza hoe: –Hatao anie izay sitraky ny Tompo!


Izany koa no iravoravoanareo na dia mbola tsy maintsy hampahorîna vetivety amin’ny fitsapana samy hafa aza ianareo.


Fa izao no sitrapon’Andriamanitra: ny hanampenanareo vava ny olona adala sy tsy mahalala amin’ny asa soa ataonareo.


Inona tokoa moa no lazanareo, raha tàhiny manao hadisoana ianareo no kapohina ka mandefitra? Fa raha tàhiny manao soa ianareo no nampahorîna ka mandefitra, dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra.


Raha tàhiny manao ny marina aza ianareo no ampahorîna, dia sambatra. Aza matahotra izay fandrahonan’ny olona, ary aza mangorohoro amin’izany;


Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona;


Koa izay miaritra fijaliana araka ny sitrapon’Andriamanitra, aoka hanao soa hatrany sy hanankin-tena amin’Ilay mitana ny toky nomeny, dia ny Mpahary azy.