Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Petera 3:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Raha tàhiny manao ny marina aza ianareo no ampahorîna, dia sambatra. Aza matahotra izay fandrahonan’ny olona, ary aza mangorohoro amin’izany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Fa raha toa ka mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo dia sambatra! Aza matahotra tahaka azy ary aza mangorohoro ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Raha tàhiny manao ny marina aza ianareo no ampahorîna, dia sambatra. Aza matahotra izay fandrahonan’ny olona, ary aza mangorohoro amin’izany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Fa na ampahorîna noho ny fahamarinana aza ianareo, dia vao mainka sambatra, ka aza matahotra izay fandrahonany, na mihorohoro amin’izany akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana hianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro hianareo;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Fa raha toa ka mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo dia sambatra! Aza matahotra tahaka azy ary aza mangorohoro ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




1Petera 3:14
29 Rohy Ifampitohizana  

Aza manahy ny fampitahoran’ireo adala na ny famelezan’ny olon-dratsy, raha tonga izany.


Izaho, eny, Izaho ihany no mampahery anao, hoy ny TOMPO. Ka inona no atahoranao ny olona mety maty, dia ny zanak’olombelona izay mihelina toy ny ahitra?


Aza matahotra azy fa miaraka anao Aho mba hanafaka anao. Izany no teny hentitry ny TOMPO tamiko.


TOMPO ô, fantatrao tsara ny amiko. Tsarovy aho ary mirotsaha an-tsehatra hamaly faty ireo mpanenjika ahy. Aza andeferana izy, fandrao ho faty aho. Satria aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no itondrako latsa.


Eny, hataoko mafy lalandava ny lohanao ary mafy lavitra noho ny vatolampy aza. Ka aza matahotra azy ianao, ary aza mivadi-po noho ny fihetsika ataon’io vahoaka maditra io.


Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an’Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin’ny lohasahan’afo.


Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo!


Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay mahafoy ny ainy noho ny fitiavana Ahy no hahavonjy azy.


Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy noho ny fitiavany Ahy kosa no hahavonjy azy.


Ary izay rehetra mahafoy trano na mpiray tampo na ray aman-dreny na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy dia hahazo injato henin’izany ary hanana anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Ka hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano na mpiray tampo na reny na ray na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly,


Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy, noho ny fitiavany Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly, no hahavonjy azy.


Ary hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Aoka tsy hangorohoro ny fonareo: minoa an’Andriamanitra ianareo, ary mino Ahy koa.


Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy mba fiadanana tahaka ny fanomezan’izao tontolo izao no omeko anareo. Aoka izay ny horohoro na ny tahotra ao am-ponareo.


Hasehoko azy ny mafy rehetra tsy maintsy hiaretany ho voninahitro.


Ka dia ifaliako ny fahalemena, ny fanevatevana, ny fahaterena, ny fanenjehana ary ny tebiteby, izay manjo ahy noho ny amin’i Kristy; fa rehefa malemy iny indrindra aho no mahery.


Eny, tombon-tsoa nomena anareo ny hanompoanareo an’i Kristy, ka tsy hoe ny hino Azy ihany fa ny hiaritra fijaliana koa noho ny aminy:


Sambatra ny olona izay maharitra ny fitsapana; fa rehefa voasedran’izany izy, dia ny fiainana efa nampanantenain’Andriamanitra ireo tia Azy no horaisiny ho satroboninahi-pandresena.


Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan’i Jôba, ary fantatrareo izay nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo.


tahaka an’i Sarà izay nanaiky an’i Abrahama sy niantso azy hoe «tompoko». Zanak’i Sarà ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra