Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Jaona 3:4 - DIEM PROTESTANTA

Izay rehetra manota dia mandika ny lalànan’Andriamanitra, fa ny ota no fandikana ny lalànan’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izay rehetra manota dia mandika ny lalànan’Andriamanitra, fa ny ota no fandikana ny lalànan’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Izay rehetra manota dia mandika ny lalàna, satria ny ota dia fandikana ny lalàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.

Jereo ny toko



1Jaona 3:4
17 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa mieritreritra izy any amin’ny tany nitondrana azy ho babo, dia hivalo sy hifona aminao manao hoe: ‹Efa nanota izahay sady efa nahavita heloka sy efa nanao ratsy›;


Eny, maty i Saoly noho ny fivadihany tamin’ny TOMPO: tsy nitandrina ny tenin’ny TOMPO manko izy, ary koa nanontany ny fanahin’ny maty tamin’ny mpamoha angatra


Ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra kosa tamin’izay i Zakarià mpisorona zanakalahin’i Jôiadà, ka nitsangana teo amin’ny toerana avoavo manoloana ny vahoaka izy ary nanao taminy hoe: «Izao no lazain’Andriamanitra aminareo: ‹Nahoana no mandika ny didiko ianareo? Tsy ahitanareo fanambinana izany. Noho Izaho TOMPO efa nilaozanareo, dia mba handao anareo koa Aho!› »


Nosamborina izy, dia nohelohina mafy ary novonoina; ka, tamin’ireo mpiara-belona taminy, iza moa no mba nieritreritra ny nanjo azy. Fa nofongorana teo amin’ny tanin’ny velona izy; ary ny heloky ny mpiray firenena aminy no nikapohana azy ho faty?


Nandika ny lalànao i Israely manontolo, ary nihodina tsy hihaino ny feonao; ka dia natosakao taminay ny ozona sy ny fianianana voasoratra tao amin’ny lalànan’i Mosesy mpanomponao, satria nanota taminao izahay.


Tsy maintsy hofongorana tokoa izy satria nanamavo ny teniko sady nandika ny didiko, ka ny helony dia manaraka azy.»


Koa na iza na iza handika ny anankiray amin’ny didy madinika indrindra sy hampianatra ny olona hanao toy izany, dia ho kely indrindra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; fa na iza na iza hanatanteraka ny didy sy hampianatra ny olona hanao toy izany, dia izy no ho lehibe ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra!


Tamin’izay dia hoy i Paoly tamin’ny mpisorombe: –Andriamanitra kosa hamely anao, ry ilay rindrina milalotra fotsy ivelany ity! Mipetraka mba hitsara ahy araka ny lalàna ianao, kanefa dia fandikan-dalàna ny fanomezanao baiko hamely tehamaina ahy.


Koa tsy misy olombelona hoeken’Andriamanitra ho marina, noho izy manatanteraka ny lalàna; fa ny lalàna dia miasa hahafantaran’ny olombelona mazava hoe nanota izy.


Fa mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra ny lalàna; ka raha tsy misy ny lalàna, dia tsy hisy koa ny fandikan-dalàna.


Atahorako fandrao, amin’izao fahatongavako izao, dia hampietry ahy eo anatrehanareo ilay Andriamanitro; ka hitomany aho, noho ny maro izay nanota teo aloha nefa mbola tsy niala tamin’ny fahalotoana sy fijangajangana ary fihetsika tsy maotina fanaony.


Fa izany vavaka izany, rehefa atao amim-pinoana, dia hahavonjy ilay marary: hositranin’ny Tompo izy ary, raha nanota, dia havela ny helony.


Ota avokoa ny asa ratsy rehetra, saingy misy ota tsy mahafaty.


Ka hoy ny navalin’i Saoly azy: –Efa nanota tokoa aho, satria nandika ny didin’ny TOMPO sy ny teninao. Natahotra ny miaramila manko aho, ka nanaraka ny teniny.