Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 53:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Nosamborina izy, dia nohelohina mafy ary novonoina; ka, tamin’ireo mpiara-belona taminy, iza moa no mba nieritreritra ny nanjo azy. Fa nofongorana teo amin’ny tanin’ny velona izy; ary ny heloky ny mpiray firenena aminy no nikapohana azy ho faty?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’izay niara-belona Taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Nosamborina izy, dia nohelohina mafy ary novonoina; ka, tamin’ireo mpiara-belona taminy, iza moa no mba nieritreritra ny nanjo azy. Fa nofongorana teo amin’ny tanin’ny velona izy; ary ny heloky ny mpiray firenena aminy no nikapohana azy ho faty?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Nesorina izy noho ny fampahoriana sy ny fitsaràna; ary iza moa tamin’ireo niara-belona taminy, no mba nihevitra, fa nofongorana eo amin’ny tanin’ny velona Izy, ary nozoin-doza noho ny fahotan’ny vahoakako?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; Ary iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra Fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy, Ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy?

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 53:8
15 Rohy Ifampitohizana  

Fitafiam-pisaonana no nanaovako, dia tonga fanarabin’ny olona aho


Heverina ho isan’ireo afaka aina izay efa midina mankany am-pasana aho sady tahaka ny olona tsy manan-kery intsony.


Noho izany, dia homeko anjara lova eo amin’ny sehatry ny besinimaro izy ka olona alikisa no hataony babo, satria ny Mpanompoko efa nanolo-tena ho faty sy nanaiky hatao ho isan’ny mpanao ratsy; eny, izy no nitondra ny fahotan’ny besinimaro ary nanao fanelanelanana ho an’ny olo-meloka.»


Kanefa voalefona noho ny helotsika izy sady notorotoroina noho ny fahadisoantsika; ny famaizana antoky ny fiadanantsika no nihatra taminy, ary ny ratra nahazo azy no nahasitrana antsika.


Fa toy ny zanakondry bonaika nentina hovonoina aho ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy. Hoy ireo hoe: «Andeha hosimbantsika ny hazo ao anatin’ny fitsiriany; aoka hofongorantsika hiala amin’ny tanin’ny velona izy, ka tsy hotsarovana intsony ny anarany.»


Nandifotra ny lohako ny rano, ka hoy aho hoe: «Very aho ity!»


Rehefa tapitra ny fito taona in-62, dia hisy lehilahy voahosotra iray hovonoina ho faty nefa tsy hisy hiaro azy. Ary tafika entin’ny mpitarika iray no handrava ny tanàna sy ny toera-masina; kanefa hanam-piafarana io mpitarika io fa hitosahan’ny fahatezeran’Andriamanitra; saingy mandra-pahatapitry ny ady dia hisy fandravana araka ny efa voatendry.


Fitanisana ny razan’i Jesoa Kristy, taranak’i Davida, dia i Davida taranak’i Abrahama.


Ny Jiosy kosa namaly azy hoe: –Manana lalàna izahay, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak’Andriamanitra!


Natao tsinontsinona Izy ary tsy nahazo rariny. Ary iza moa no hanan-kotantaraina ny amin’izay taranany? Satria fongotra teto an-tany ny fiainany.»


araka ny Fanahy Masina kosa, dia naharihary tamin-kery fa Zanak’Andriamanitra fony Izy tafatsangana velona avy tany amin’ny maty.


Fa i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. Novonoina tao amin’ny nofo i Kristy, fa novelomina araka ny Fanahy Masina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra