Tamin’ny taranak’i Joda: avy tamin’ny terak’i Peretsa, dia i Hotahy zanakalahin’i Hamihoda sy zafin’i Homrỳ sy zafiafin’i Imrỳ ary zafin-dohalik’i Banỳ;
1Tantara 9:5 - DIEM PROTESTANTA avy tamin’ny terak’i Selà, dia i Asaià lahimatoa sy ireo zanany lahy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny Silonita dia i Asaia, lahimatoa, sy ny zanany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara avy tamin’ny terak’i Selà, dia i Asaià lahimatoa sy ireo zanany lahy; Baiboly Katolika Ny tamin’ny Silônita: i Asaià, lahy matoa sy ny zanany lahy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany. Malagasy Bible Ary tamin'ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany. La Bible en Malgache Tamin’ny Silonita dia i Asaia, lahimatoa, sy ny zanany. |
Tamin’ny taranak’i Joda: avy tamin’ny terak’i Peretsa, dia i Hotahy zanakalahin’i Hamihoda sy zafin’i Homrỳ sy zafiafin’i Imrỳ ary zafin-dohalik’i Banỳ;
avy tamin’ny terak’i Zerà, dia i Jehiela. Ireo mbamin’ny havany rehetra dia nisy 690 tao Jerosalema.
ary i Mahaseià, anisan’ny terak’i Selà noho izy zanakalahin’i Baròka sy zafin’i Kôla-Hôze sy zafiafin’i Hazaià sy zafin-dohalik’i Hadaià sy zafin-kitrokelin’i Jôiariba ary zafim-paladian’i Zakarià.