Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 9:27 - DIEM PROTESTANTA

ary teny amin’ny fonenana manodidina ny tempoly no nandriany, satria adidiny koa ny fiambenana azy sy ny famohana azy isa-maraina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary eo amin’ny manodidina ny tranon’Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary teny amin’ny fonenana manodidina ny tempoly no nandriany, satria adidiny koa ny fiambenana azy sy ny famohana azy isa-maraina.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nitoetra teo amin’ny manodidina ny tranon’Andriamanitra izay nambenany izy, ka tsy maintsy tandremany ny hamohana azy isa-maraina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary manodidina ny tranon’Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary manodidina ny tranon'Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary eo amin’ny manodidina ny tranon’Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina.

Jereo ny toko



1Tantara 9:27
8 Rohy Ifampitohizana  

Toetra mahatoky manko no nananan’ireo efa-dahy filohan’ny mpiandry vavahady ireo sady levita rahateo izy, ka niadidy ny efitrano fitahirizana mbamin’ny rakitry ny tempoly;


Ny sasany tamin’ny mpiandry vavahady dia niadidy ny fanaka momba ny fanompoam-pivavahana, ka nanisa ireo fanaka entina hampiasaina sy entina haverina.


Hira fiakarana. Izao àry, misaora ny TOMPO ianareo rehetra mpanompony izay mialina ato an-tranony.


Nampidiriko tao amin’ny efitra iray tao an-tranon’ny TOMPO izy, dia tao amin’ny efitra voatokana ho an’ny mpianatr’i Hanàna, izay lehilahy masina sady zanakalahin’i Jigdalià. Io efitra io dia teo akaikin’ilay efitranon’ireo lehibe ary teo ambonin’ny an’i Mahaseià, zanakalahin’i Salòma izay mpisorona miambina ny varavarana fidirana amin’ny tempoly.


Tokony hohidin’ny anankiray aminareo ny varavaran’ny tempoly mba tsy handrehetanareo afo tsy misy lanjany eo amin’ny alitarako. Tsy sitrako ny hahita anareo na ny handray izay fanatitra ataonareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Raha misy manana ny fanomezana hanompo, dia aoka hanompo. Ny mpampianatra, aoka hampianatra.


Dia nandry mandra-maraina i Samoela; ary novohany avy eo ireo varavaran’ny tranon’ny TOMPO, nefa dia natahotra ny hilaza amin’i Helỳ ny fahitàny i Samoela;