1Tantara 9:12 - DIEM PROTESTANTA i Hadaià, zanakalahin’i Jerôhama sy zafin’i Pasehora ary zafiafin’i Malkià; i Mahesay, zanakalahin’i Hadiela sy zafin’i Jahazerà sy zafiafin’i Mesolama sy zafin-dohalik’i Mesilemôta ary zafin-kitrokelin’i Imera. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Adaia, zanak’i Jerohama, zanak’i Pasora, zanak’i Malkia ary i Masay, zanak’i Adiela, zanak’i Jazera, zanak’i Mesolama, zanak’i Mesilemita, zanak’Imera. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara i Hadaià, zanakalahin’i Jerôhama sy zafin’i Pasehora ary zafiafin’i Malkià; i Mahesay, zanakalahin’i Hadiela sy zafin’i Jahazerà sy zafiafin’i Mesolama sy zafin-dohalik’i Mesilemôta ary zafin-kitrokelin’i Imera. Baiboly Katolika i Adaiasa zanak’i Jerôhama zanak’i Fasora zanak’i Melkiasa; i Maasaì zanak’i Adiela zanak’i Jezrà zanak’i Mosolama zanak’i Mosolamita zanak’i Emera; Baiboly Protestanta Malagasy ary Adaia, zanak’i Jerohama, zanak’i Pasora, zanak’i Malkia, ary Masay, zanak’i Adiela, zanak’i Jazera, zanak’i Mesolama, zanak’i Mesilemita, zanak’Imera. Malagasy Bible ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia, ary Masay, zanak'i Adiela, zanak'i Jazera, zanak'i Mesolama, zanak'i Mesilemita, zanak'Imera. La Bible en Malgache i Adaia, zanak’i Jerohama, zanak’i Pasora, zanak’i Malkia ary i Masay, zanak’i Adiela, zanak’i Jazera, zanak’i Mesolama, zanak’i Mesilemita, zanak’Imera. |
i Seraià, zanakalahin’i Hilkià sy zafin’i Mesolama sy zafiafin’i Tsadôka sy zafin-dohalik’i Meraiôta ary zafin-kitrokelin’i Ahitoba mpanapaka ny tempoly;
Ireo mbamin’ny mpisorona havany, izay samy lohan’ny fianakaviany avy, dia nisy 1 760: lehilahy mahery teo amin’ny fanaovana fanompoana tao an-tranon’Andriamanitra izy rehetra.
Ary i Pasehora, zanakalahin’i Imera sady mpisorona mpiandraikitra ny tranon’ny TOMPO, dia nandre an’i Jeremià nanambara ireo hafatra ireo.
Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià ho an’i Tsedekià mpanjaka. Fa nirahin’ny mpanjaka hankany amin’i Jeremià i Pasehora zanakalahin’i Malkià ary koa i Tsefanià mpisorona sady zanakalahin’i Mahaseià mba hangataka aminy hoe: