Dia nandriatra ny fitafiany i Jakôba ka nisikina lamba fisaonana, ary nisaona ny zanany nandritra ny andro maro.
1Tantara 7:22 - DIEM PROTESTANTA Nisaona azy mirahalahy ela i Efraîma rainy, ary tonga ireo havany hampionona azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nisaona azy ela i Efraima rainy ary tonga nampionona azy ny rahalahiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisaona azy mirahalahy ela i Efraîma rainy, ary tonga ireo havany hampionona azy. Baiboly Katolika Nisaonan’i Efraima rainy ela izy ireo, ka tonga ny rahalahiny hampionona azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy. Malagasy Bible Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy. La Bible en Malgache Nisaona azy ela i Efraima rainy ary tonga nampionona azy ny rahalahiny. |
Dia nandriatra ny fitafiany i Jakôba ka nisikina lamba fisaonana, ary nisaona ny zanany nandritra ny andro maro.
Tonga nampionona azy avokoa na ireo zanany lahy na ireo zanany vavy; kanefa tsy nety nionona izy, fa nanao hoe: «Mbola hisaona aho no hidina hihaona amin-janako any amin’ny toeran’ny maty.» Koa mbola nitomany an-janany ihany izy.
i Zabada zanakalahin’i Tahata, i Sotela zanakalahin’i Zabada). I Hezera sy i Elehada dia novonoin’ireo lehilahy tompon-tany tao Gata ho faty, satria nidina hangalatra ny biby fiompiny.
Niray tamin’ny vadiny indray i Efraîma, dia nanana anaka ravehivavy ka nitera-dahy; ary nataon-drainy hoe Berihà ny anaran’ny zaza, satria nitoetra tao an-trano hatrany ity reniny noho ny fahoriana nidona.
Ary nandre ny fahoriana rehetra nianjady tamin’i Jôba ny sakaizany telo lahy, dia i Elifaza avy any Temàna sy i Bildada avy any Soha ary i Tsofara avy any Nahamà, ka samy niala tany aminy avy ary nifanaiky fa haneho aminy ny fiaraha-miory sy hankahery azy.
ka maro tamin’ny Jiosy no tonga tao amin-dry i Marta sy i Maria hitsapa alahelo azy mirahavavy noho ny nahafatesan’ny anadahiny.