Ary hoy indray ny mpanjaka tamin’i Tsadôka mpisorona: –Tandrinao ve izao? Miverena ombàm-piadanana any an-tanàna miaraka amin’izy roalahy, dia i Ahimahàtsa zanakalahinao sy i Jônatàna zanakalahin’i Abiatara.
1Tantara 6:8 - DIEM PROTESTANTA i Elkanà zanakalahin’i Asiry, i Abiasafa zanakalahin’i Elkanà, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Elkana no zanakalahin’i Asira; i Ebiasafa no zanakalahin’i Elkana; i Asira no zanakalahin’i Ebiasafa; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara i Elkanà zanakalahin’i Asiry, i Abiasafa zanakalahin’i Elkanà, Baiboly Katolika i Elkanà zanany, i Abiasafa zanany, i Asira zanany, Baiboly Protestanta Malagasy Elkana no zanakalahin’i Asira, Ebiasafa no zanakalahin’i Elkana, Asira no zanakalahin’i Ebiasafa, Malagasy Bible Elkana no zanakalahin'i Asira, Ebiasafa no zanakalahin'i Elkana, Asira no zanakalahin'i Ebiasafa, La Bible en Malgache i Elkana no zanakalahin’i Asira; i Ebiasafa no zanakalahin’i Elkana; i Asira no zanakalahin’i Ebiasafa; |
Ary hoy indray ny mpanjaka tamin’i Tsadôka mpisorona: –Tandrinao ve izao? Miverena ombàm-piadanana any an-tanàna miaraka amin’izy roalahy, dia i Ahimahàtsa zanakalahinao sy i Jônatàna zanakalahin’i Abiatara.
Hoy i Hosay tamin’i Tsadôka sy i Abiatara mpisorona: –Izany sy izany no torohevitra nomen’i Ahitôfela an’i Absalôma sy ireo loholon’i Israely, ary dia izay sy izay kosa ny torohevitra nomeko.
Dia niandry tao Haîna-Rogèla i Jônatàna sy i Ahimahatsa; ary nisy ankizivavy nilaza tamin’izy roa lahy mba hahafahany kosa mampandre an’i Davida mpanjaka, satria natahotra ny hisy mpahita izy raha miditra ny tanàna.
Ary niditra tao an-tranon’ilay ramatoa ny mpanompon’i Absalôma ka nanao hoe: –Aiza i Ahimahatsa sy i Jônatàna? Dia hoy ny navalin’ilay vehivavy taminy: –Nita ny rano izy ireo. Rehefa nitady ihany ireto mpanompon’i Absalôma ka tsy nahita, dia niverina nankany Jerosalema.
Hoy i Ahimahatsa zanakalahin’i Tsadôka: –Aoka hihazakazahako any amin’ny mpanjaka ny fitondrana ity vaovao mahafaly ny amin’ny nanomezan’ny TOMPO azy rariny ity ka nanafahany azy tamin’ny fahavalony.
Fa hoy indray i Ahimahatsa zanakalahin’i Tsadôka tamin’i Jôaba: –Izay alehany any alehany, fa avelao aho hihazakazaka hanaraka ilay Kosita. Hoy kosa i Jôaba hoe: –Hihazakazaka ahoana, anaka? Tsy hitondra soa ho anao velively ny vaovao toy izany!
i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Seraià no mpitantsoratra;
Any no hanosotra azy ho mpanjakan’i Israely i Tsadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany; ary ianareo sisa kosa hitsoka ny anjomara sady hihiaka hoe: «Ho ela velona anie i Salômôna mpanjaka!»
Ary i Davida efa naniraka an’i Tsadôka mpisorona sy i Natàna mpaminany ary i Benaià zanakalahin’i Jôiadà mbamin’ny Keretita sy ny Peletita mpiambina mba hiaraka amin’i Salômôna; ka ireo no nampitaingina azy ny borikivavin’ny mpanjaka.
Fa i Tsadôka mpisorona sy i Benaià zanakalahin’i Jôiadà sy i Natàna mpaminany mbamin’i Simehỳ sy i Rehỳ ary ireo kalazan’i Davida kosa tsy mba niandany tamin’i Adônià.
I Benaià zanakalahin’i Jôiadà no nasolon’ny mpanjaka azy ho filohan-tafika, ary i Tsadôka mpisorona kosa no nasolony an’i Abiatara.
Tatỳ aoriana, dia i Davida sy i Tsadôka taranak’i Elehazara mbamin’i Ahimelèka taranak’i Itamara, no nitsinjara ireo taranak’i Aharôna ho antokony araka ny tandrifin’ny fanompoany avy.
Taranak’i Kehata: i Jitsehara zanakalahin’i Kehata, i Kôra zanakalahin’i Jitsehara, i Asiry zanakalahin’i Kôra
i Tahata zanakalahin’i Abiasafa, i Oriela zanakalahin’i Tahata, i Hozià zanakalahin’i Oriela, ary i Saoly zanakalahin’i Ozià.
Ka i Hazarià mpisorombe, anisan’ny taranak’i Tsadôka, no namaly azy hoe: –Hatramin’ny niandohan’ny fitondran’ny olona ampaham-bokatra an-tranon’ny TOMPO, dia nanana hanin-kahavoky izahay, sady be koa ny ambiny tavela satria ny TOMPO efa nitahy ny vahoakany. Ireo navelanay mivangongo ireo ny ambiny.