Ireto avy ny anaran’ny mpiasam-panjakana ambony teo aminy: I Hazarià zanakalahin’i Tsadôka no mpisorona;
1Tantara 6:10 - DIEM PROTESTANTA Taranak’i Elkanà: i Hamasay sy i Mahata mirahalahy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Elkana dia i Amasay sy i Ahimota. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Taranak’i Elkanà: i Hamasay sy i Mahata mirahalahy, Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Elkanà: i Amiasa sy i Akimôta; Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanakalahin’i Elkana dia Amasay sy Ahimota. Malagasy Bible Ary ny zakalahin'i Elkana dia Amasay sy Ahimota. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Elkana dia i Amasay sy i Ahimota. |
Ireto avy ny anaran’ny mpiasam-panjakana ambony teo aminy: I Hazarià zanakalahin’i Tsadôka no mpisorona;
i Tahata zanakalahin’i Abiasafa, i Oriela zanakalahin’i Tahata, i Hozià zanakalahin’i Oriela, ary i Saoly zanakalahin’i Ozià.
Dia nanomboka nanao ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema i Salômôna ka teo amin’ny tendrombohitra Môrià, izay nisehoan’ny Tompo tamin’i Davida rainy no nanorenany azy, dia ilay toerana nomanin’i Davida tao amin’ny famoloan’i Ôrnàna izay lehilahy jebosita.
Ny lalantsara fidirana, izay teo anoloan’ny efitrano malalaka, dia nirefy dimy metatra ny sakany; ny lavany, izay nitovy refy tamin’ny sakan’ny tempoly, dia folo metatra; ary ny haavony koa dia folo metatra. Nopetahana takela-bolamena madio ny rindrina tao anatin’io lalantsara io.