ireo no zanakalahin’i Abihaîla ilay zanakalahin’i Horỳ sy zafin’i Jarôa sy zafiafin’i Gilehada sy zafin-dohalik’i Mikaela sy zafin-kitrokelin’i Jesisay sy zafim-paladian’i Jehidao ary zafin-dorian’i Boza.
1Tantara 5:15 - DIEM PROTESTANTA I Ahỳ zanakalahin’i Habdiela sy zafin’i Gonỳ no filohan’ireo fianakaviana ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Ahia, zanak’i Abdiela, zanak’i Gonỳ, no lohan’ny fianakaviany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Ahỳ zanakalahin’i Habdiela sy zafin’i Gonỳ no filohan’ireo fianakaviana ireo. Baiboly Katolika I Akì zanak’i Abdiela zanak’i Gonì, no lohan’ny fokom-pianakaviany. Baiboly Protestanta Malagasy Ahia, zanak’i Abdiela, zanak’i Gony, no lohan’ny fianakaviany. Malagasy Bible Ahia, zanak'i Abdiela, zanak'i Gony, no lohan'ny fianakaviany. La Bible en Malgache i Ahia, zanak’i Abdiela, zanak’i Gonỳ, no lohan’ny fianakaviany. |
ireo no zanakalahin’i Abihaîla ilay zanakalahin’i Horỳ sy zafin’i Jarôa sy zafiafin’i Gilehada sy zafin-dohalik’i Mikaela sy zafin-kitrokelin’i Jesisay sy zafim-paladian’i Jehidao ary zafin-dorian’i Boza.
Ny taranak’i Gada dia nonina tao Gilehada sy Basàna mbamin’ny faritra miankina aminy sy ny kijàna rehetra any Siriôna mipaka hatrany amin’ny sisiny farany lavitra indrindra.