Nolavin’i Davida ny hamindra ny Vatamasin’ny TOMPO ho any aminy, any an-tanànan’i Davida; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gàta.
1Tantara 26:8 - DIEM PROTESTANTA Anisan’ny taranak’i Hôbeda-Edôma ireo rehetra ireo. Ny taranaka ombàn-janaka sy havana dia nisy 62 lahy ny an’i Hôbeda-Edôma no mpiandry vavahady: samy olom-banona avokoa sady mahery fo amin’ny fanompoany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo rehetra ireo no avy tamin’ny zanak’i Obeda-Edoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin’ny fanompoany; roa amby enimpolo no an’i Obeda-Edoma. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Anisan’ny taranak’i Hôbeda-Edôma ireo rehetra ireo. Ny taranaka ombàn-janaka sy havana dia nisy 62 lahy ny an’i Hôbeda-Edôma no mpiandry vavahady: samy olom-banona avokoa sady mahery fo amin’ny fanompoany. Baiboly Katolika Ireo rehetra ireo, dia samy zanak’i Obededôma; 62 izy mbamin’ny zanany aman-drahalahiny no avy amin’i Obededôma, samy lehilahy matanjaka sy be herim-po amin’ny fanompoana. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo rehetra ireo no avy tamin’ny zanak’i Obed-edoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin’ny fanompoany; roa amby enim-polo no an’i Obed-edoma. Malagasy Bible Ireo rehetra ireo no avy tamin'ny zanak'i Obededoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny fanompoany; roa amby enim-polo no an'i Obed-edoma. La Bible en Malgache Ireo rehetra ireo no avy tamin’ny zanak’i Obeda-Edoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin’ny fanompoany; roa amby enimpolo no an’i Obeda-Edoma. |
Nolavin’i Davida ny hamindra ny Vatamasin’ny TOMPO ho any aminy, any an-tanànan’i Davida; fa naviliny kosa izany ho ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma, lehilahy avy any Gàta.
Ny zanakalahin’i Semahià dia i Hôtnỳ sy i Refaela ary i Hôbeda sy i Elzabada mbamin’ireo rahalahiny anankiroa izay samy olom-banona, dia i Elihò sy i Semakià.
Ny an’i Meselemià dia nisy 18 lahy ny zanany sy ny havany no mpiandry vavahady: samy olom-banona avokoa.
Koa ny anankiray dia nomeny denàry 30 000, ny anankiray denàry 12 000 ary ny anankiray denàry 6 000, samy araka izay fahaizany avy. Dia lasa ralehilahy tompom-pananana nandeha any an-tany hafa.
Eny, Andriamanitra no anananay fahaleovana ho mpanompon’ny Fanekempihavanana Vaovao, dia ilay Fanekempihavanana tsy miankina amin’ny lalàna voasoratra fa amin’ny Fanahy Masina. Mahafaty manko ny lalàna voasoratra fa ny Fanahy Masina no mahavelona.
Izay mitoriteny, aoka ho toy ny milaza ireo hafatr’Andriamanitra; izay manompo, aoka ho araka ny hery ampombain’Andriamanitra azy; ka dia amin’ny zavatra rehetra no hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, fa an’Andriamanitra ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amen.