1Tantara 24:24 - DIEM PROTESTANTA Ny zanakalahin’i Hoziela dia i Mikà; ary tamin’ny zanakalahin’i Mikà dia i Samira. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Oziela dia i Mika; tamin’ny taranak’i Mika dia i Samira; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zanakalahin’i Hoziela dia i Mikà; ary tamin’ny zanakalahin’i Mikà dia i Samira. Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Oziela: i Mikà, tamin’ny taranak’i Mikà i Samira. Baiboly Protestanta Malagasy Ny zanakalahin’i Oziela dia Mika; tamin’ny taranak’i Mika dia Samira; Malagasy Bible Ny zanakalahin'i Oziela dia Mika; tamin'ny taranak'i Mika dia Samira; La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Oziela dia i Mika; tamin’ny taranak’i Mika dia i Samira; |
Tamin’ny zanakalahin’i Hebrôna dia i Jerià no lahimatoa, i Amarià no lahiaivo, i Jahaziela no fahatelo ary i Jekamehama no faralahy.
Indreo ny antoko-mpisorona sy levita, hanao ny fanompoana rehetra ao an-tempolin’Andriamanitra; mba hahavitana ny asa manontolo, dia miaraka aminao koa ireo olona feno risimpo sady kinga amin’ny taozavatra isan-karazany; ary ny lehibe mbamin’ny vahoaka rehetra dia hankatò ny baikonao an-tsakany sy an-davany.
Araka izay baiko rehetra nomen’i Jôiadà mpisorona no nataon’ny levita sy ny Jodeanina rehetra; ka ny tompon’andraikitra tsirairay dia samy nitondra ny olom-peheziny, dia izay nilatsaka na izay niala tamin’ny andro sabata, satria tsy nisy andiany navelan’i Jôiadà mpisorona hahazo lalana hody.
Najoron’i Hezekià indray ny antokon’ny mpisorona sy ny levita; ary ankoatra ny fitsinjarana azy araka ny antokony, dia teo koa ny fitsinjarana azy araka ny fanompoany avy. Tao anatin’ireo kianjan’ny tranon’ny TOMPO manko dia nisy mpisorona sy levita nisahana ny sorona dorana manontolo, nisy nisahana ny sorom-pihavanana, ary nisy nisahana ny fanompoam-pivavahana isaorana sy iderana ny Tompo.
Dia nisy fanendrena ny mpisorona sy ny levita ho amin’ny antokony avy sy araka ny andraikiny avy, mba hanao ny fanompoana an’Ilay Andriamanitra Izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao anatin’ny bokin’i Mosesy.