Dia napetrak’i Salômôna tao an-tranon’ny Tompo ireo kojakoja ireo, nefa marobe loatra ka tsy nolanjainy hahitany izay lanjan’ny halimo nampiasaina.
1Tantara 22:3 - DIEM PROTESTANTA Novononin’i Davida koa ireto zavatra ireto: vy betsaka hanaovana fantsika ho an’ny lelavaravarana sy hanaovana faraingo; halimo betsaka tsy hita lanja; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nahavonona vy betsaka hatao hombon’ny lela vavahady sy ny fikambanany i Davida ary nahavory varahina betsaka tsy hita lanja Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Novononin’i Davida koa ireto zavatra ireto: vy betsaka hanaovana fantsika ho an’ny lelavaravarana sy hanaovana faraingo; halimo betsaka tsy hita lanja; Baiboly Katolika Novononin’i Davida koa izao: Vy betsaka hanaovam-pantsika ho an’ny lela-varavarana sy ny faraingo, ary varahina betsaka tsy hita lanja intsony, Baiboly Protestanta Malagasy Ary Davida nahavonona vy betsaka hatao hombon’ny lela-vavahady sy ny fikambanany, ary varahina betsaka tsy hita lanja Malagasy Bible Ary Davida nahavonona vy betsaka hatao hombon'ny lela-vavahady sy ny fikambanany, ary varahina betsaka tsy hita lanja La Bible en Malgache Nahavonona vy betsaka hatao hombon’ny lela vavahady sy ny fikambanany i Davida ary nahavory varahina betsaka tsy hita lanja |
Dia napetrak’i Salômôna tao an-tranon’ny Tompo ireo kojakoja ireo, nefa marobe loatra ka tsy nolanjainy hahitany izay lanjan’ny halimo nampiasaina.
He! nanao ezaka mafy aho ka nahavonona ho an’ny tranon’ny TOMPO ireto fitaovana ireto: volamena milanja telo tapitrisa kilao mahery, volafotsy milanja telopolo tapitrisa kilao mahery, halimo sy vy betsaka tsy hita lanja; ary nahavonona hazo sy vato koa aho. Dia hampianao kosa ireo.
Nanao izay tratry ny aiko aho namonona fitaovana ho an’ny tranon’Andriamanitro: dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena; ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy; ny halimo hanaovana ny fanaka halimo; ny vy hanaovana ny fanaka vy; ary hazo hanaovana fanaka hazo. Nataoko vonona ny vato berila sy vato halatsaka an-tranontranony, ny vatomainty sy vato misoratsoratra, ny vatosoa isan-karazany ary ny vatokaranana betsaka.
ka nanome izay hanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitra: dia volamena milanja 170 taonina; farantsa volamena miisa 10 000; volafotsy milanja telonjato taonina; halimo milanja eninjato taonina eo ho eo ary vy milanja telo arivo taonina.
Nampanao fitaovana maro dia maro i Salômôna, hany ka tsy hay notombanana intsony izay lanjan’ny halimo nampiasaina.
Tsy hita lanja ny halimo tamin’ireo fanaka rehetra izay namboarin’i Salômôna ho an’ny tranon’ny TOMPO: dia ireo andry anankiroa sy ilay fitobian-drano goavana miaraka amin’ireo ombilahy halimo 12 mitondra azy, ary ireo kalesy.
tany hahitanareo vy sy vato eo aminy ary hihadianareo varahina ny tendrombohiny. Hanaram-po hihinan-kanina ianareo sady tsy hanan-java-mahory akory eo amin’izany tany izany.