Dia hoy izy: –Fantatrao fa ahy ny fanjakana, ary i Israely iray manontolo no efa nitodika tamiko mba hampanjaka ahy; kanjo dia tafahodina ny fanjakana ka lasan’ny rahalahiko, satria izay no sitrapon’ny TOMPO.
1Tantara 22:10 - DIEM PROTESTANTA I Salômôna no hanorina trano ho Ahy: izy ho zanako, Izaho ho rainy, ary hohamafisiko mandrakizay ny sezafiandrianan’ny fanjakany eo amin’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izy no hanao trano ho an’ny anarako; ho zanako izy, ary ho rainy Aho, ary hampitoeriko amin’ny Israely mandrakizay ny sezafiandrianan’ny fanjakany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Salômôna no hanorina trano ho Ahy: izy ho zanako, Izaho ho rainy, ary hohamafisiko mandrakizay ny sezafiandrianan’ny fanjakany eo amin’i Israely. Baiboly Katolika Izy no hanao trano ho an’ny Anarako; ho toy ny zanaka ho Ahy izy, ary ho toy ny ray ho azy Aho, ary hohamafisiko mandrakizay amin’i Israely ny seza fiandrianan’ny fanjakany. Baiboly Protestanta Malagasy Izy no hanao trano ho an’ny anarako; ary izy ho zanako, ary Izaho ho rainy, ary Izaho hampitoetra ny seza fiandrianan’ny fanjakany amin’ny Isiraely mandrakizay. Malagasy Bible Izy no hanao trano ho an'ny anarako; ary izy ho zanako, ary Izaho ho rainy, ary Izaho hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany amin'ny Isiraely mandrakizay. La Bible en Malgache Izy no hanao trano ho an’ny anarako; ho zanako izy, ary ho rainy Aho, ary hampitoeriko amin’ny Israely mandrakizay ny sezafiandrianan’ny fanjakany. |
Dia hoy izy: –Fantatrao fa ahy ny fanjakana, ary i Israely iray manontolo no efa nitodika tamiko mba hampanjaka ahy; kanjo dia tafahodina ny fanjakana ka lasan’ny rahalahiko, satria izay no sitrapon’ny TOMPO.
Velona ny TOMPO Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin’ny sezafiandrianan’i Davida raiko sady nampanantena ho ahy sy ny taranako ny fahefà-manjaka, koa mianiana aho fa tsy maintsy maty anio ihany i Adônià!
Ary nandry feizay i Joda sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna; fa samy niadam-pinaritra teo anivon’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatreo Dana ka hatrany Beera-Seba.
Avy eo izy dia niteny hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely! Fa notontosainy tokoa ny zavatra nampanantenainy tamin’i Davida raiko hoe:
dia hampaharitra mandrakizay ny sezafiandrianam-panjakanao amin’i Israely Aho, araka ny nampanantenaiko an’i Davida rainao ka nilazako fa tsy ho diso taranaka handimby izy eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely.
Tamin’ny zanakalahiko rehetra kosa (fa nomen’ny TOMPO zanakalahy maro aho), dia i Salômôna zanako no nofidiny hipetraka eo amin’ilay sezafiandrianana manambara ny fanjakàn’ny TOMPO amin’i Israely.
Efa notanterahinao tamin’i Davida raiko sady mpanomponao ny zavatra nampanantenainao azy; eny, izay voalazanao dia notontosainao araka izao hita anio izao.
Namoaka didim-pitsarana ny Tompo ho fanoherana ny taranak’i Jakôba, ka ny fanjakan’i Israely no niharan’izany.
Fa tsy nisy na oviana na oviana anjely nilazan’Andriamanitra hoe: «Zanako Ianao, Ray niteraka Anao Aho manomboka anio!» Ary koa hoe: «Izaho ho Rainy, ary Izy ho Zanako!»