Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 20:7 - DIEM PROTESTANTA

Nohantsiny ny Israelita, ka i Jonatàna, zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida, no nahafaty azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nony nihantsy ny Israely izy dia nahafaty azy i Jonatana, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nohantsiny ny Israelita, ka i Jonatàna, zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida, no nahafaty azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Naniratsira an’i Israely izy, ka matin’i Jonatàna, zanak’i Samaà, rahalahin’i Davida.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak'i Simea, rahalahin'i Davida.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nony nihantsy ny Israely izy dia nahafaty azy i Jonatana, zanak’i Simea, rahalahin’i Davida.

Jereo ny toko



1Tantara 20:7
9 Rohy Ifampitohizana  

ary i Jesè no ray niteraka azy fito mirahalahy ireto: dia i Eliaba sy i Abinadaba, i Simehà


Nisy ady koa tao Gata. Tao dia nisy lehilahy anankiray avo be sady enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra ka dia 24 no fitambarany; taranak’i Rafà koa izy.


Ireo miaramila filistinina ireo dia samy taranak’i Rafà tao Gata, ka matin’ny tanan’i Davida sy ny tanan’ny mpanompony.


I Jônatàna, rahalahin-drain’i Davida sady lehilahy hendry sy be fahalalana, dia mpanolotsain’ny mpanjaka; ary i Jehiela, zanakalahin’i Hakmôny, no teo amin’ny zanaky ny mpanjaka.


Fa iza moa no voatevatevanao sy nompanao? Ary iza no nanaovanao lela miakatra sy niandranandranan’ny masonao? Tsy iza fa Izaho Ilay Masin’i Israely!


Dia nampandalovin’i Jisay i Samà, nefa mbola hoy ihany izy hoe: –Tsy mba nifidy an’io koa ny TOMPO.


ka hoy aho hoe: Efa nihaika anareo miaramila israelita aho androany; ka omeo lehilahy iray aho mba hiady amiko.


Dia hoy i Davida tamin’ny miaramila iray teo akaikiny: –Hatao ahoana tsara hoe izay maharesy io Filistinina io ka mahafaka an’i Israely amin’izao fahafaham-baràkany izao? Fa iza moa io Filistinina mpanompo sampy io no sahy mihantsy ny tafik’ilay Andriamanitra velona?


Raha izany no nahafatesan’ny mpanomponao ny liona sy ny bera, dia ho tahaka izany koa no hanjo io Filistinina mpanompo sampy io, satria nihantsy ny tafik’ilay Andriamanitra velona izy.