Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 2:25 - DIEM PROTESTANTA

Ireo zanakalahin’i Jerahimeela, lahimatoan’i Hetsirôna, dia i Rama lahimatoa sy i Bonà mbamin’i Ôrena sy i Ôtsema ary i Ahià.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ny zanakalahin’i Jeramela, lahimatoan’i Hezrona, dia i Rama, lahimatoa, i Bona, i Orena, i Ozema ary i Ahia.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireo zanakalahin’i Jerahimeela, lahimatoan’i Hetsirôna, dia i Rama lahimatoa sy i Bonà mbamin’i Ôrena sy i Ôtsema ary i Ahià.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ny zanaka lahin’i Jerameela lahy matoan’i Hesrôna dia: i Ramà lahy matoany, i Bonà, i Aràna, i Asoma, i Akià.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny zanakalahin’i Jeramela, lahimatoan’i Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny zanakalahin'i Jeramela, lahimatoan'i Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ny zanakalahin’i Jeramela, lahimatoan’i Hezrona, dia i Rama, lahimatoa, i Bona, i Orena, i Ozema ary i Ahia.

Jereo ny toko



1Tantara 2:25
5 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’ny nahafatesan’i Hetsirôna izay nanambady an’i Abià, dia niray tamin’i Efrata indray i Kaleba; ka i Efrata no niterahany an’i Asehora mpanorina an’i Tekôa.


Nanana vady hafa koa i Jerahimeela, i Hatarà no anarany, ary izy no renin’i Ônama.


Ary ny zanakalahy naterak’i Hetsirôna dia i Jerahimeela sy i Rama ary i Kelobay na Kaleba.


Ireto kosa ny zanakalahin’i Ehoda: i Nahamàna sy i Ahià ary i Gerà (ity Gerà ity dia niteraka an-dry i Hozà sy i Ahihoda). Loham-pianakavian’ireo mponina tao Geba izy telo mirahalahy ary nampifindra monina azy tany Manahata; i Gerà mihitsy no nitarika izany fifindra-monina izany.


Ka nony nanontany azy i Akisy hoe: «Taiza avy no nanafihanareo androany?», dia novaliany hoe: «Tany amin’ny faritra atsimon’i Joda» na «Tany amin’ny faritra atsimon’ny Jerahimeelita» na koa «Tany amin’ny faritra atsimon’ny Kenita».