Nisy nampandre izany tamin’i Davida; dia naniraka olona izy mba hitsena azy, satria afa-baràka loatra ireo lehilahy ireo; ka hoy ny hafatry ny mpanjaka hoe: «Mijanòna any Jerikao aloha mandra-panirin’ny volombavanareo; izay ianareo vao mody.»
1Tantara 19:5 - DIEM PROTESTANTA Dia nandeha ireo; ary nisy nampandre an’i Davida izay nanjo ireo lehilahy ireo, koa naniraka olona izy mba hitsena azy satria afa-baràka loatra ry zareo. Ary hoy ny hafatry ny mpanjaka hoe: «Mitoera any Jerikao aloha mandra-panirin’ny volom-bavanareo; izay ianareo vao mody.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nisy lasa nanambara tamin’i Davida izay natao tamin’ireo lehilahy ireo; dia nandefa iraka izy hitsena azy ireo fa afa-baraka loatra izy ireo; dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ny somotrareo, aorianan’izay vao mody ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nandeha ireo; ary nisy nampandre an’i Davida izay nanjo ireo lehilahy ireo, koa naniraka olona izy mba hitsena azy satria afa-baràka loatra ry zareo. Ary hoy ny hafatry ny mpanjaka hoe: «Mitoera any Jerikao aloha mandra-panirin’ny volom-bavanareo; izay ianareo vao mody.» Baiboly Katolika Fa nisy nandeha nilaza ny nanjò an’ireo lehilahy ireo tamin’i Davida, ka naniraka olona hitsena an’ireo izy, fa nangaihay loatra ireo lehilahy ireo, ary izao no nasain’ny mpanjaka nolazaina tamin’izy ireo: «Mitoera any Jerikô ianareo, mandra-panirin’ny somotrareo, vao modia.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary dia nisy lasa nanambara tamin’i Davida izay natao tamin’ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ny somotrareo, vao mody hianareo. Malagasy Bible Ary dia nisy lasa nanambara tamin'i Davida izay natao tamin'ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo. La Bible en Malgache Nisy lasa nanambara tamin’i Davida izay natao tamin’ireo lehilahy ireo; dia nandefa iraka izy hitsena azy ireo fa afa-baraka loatra izy ireo; dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ny somotrareo, aorianan’izay vao mody ianareo. |
Nisy nampandre izany tamin’i Davida; dia naniraka olona izy mba hitsena azy, satria afa-baràka loatra ireo lehilahy ireo; ka hoy ny hafatry ny mpanjaka hoe: «Mijanòna any Jerikao aloha mandra-panirin’ny volombavanareo; izay ianareo vao mody.»
Tamin’ny andro nanjakàn’i Ahaba no nanorenan’i Hiela avy any Betela an’i Jerikao; ka ny ain’i Abirama lahimatoany no sandan’ny nametrahany ny fototra, ary ny ain’i Segoba faralahiny no sandan’ny nametrahany ny vavahady, araka ny teny izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Josoa zanakalahin’i Nona.
Dia nampisamborin’i Hanòna ireo minisitr’i Davida, ka noharatana ny volom-bavany sady noborina hatrany am-poto-peny ny akanjony ary noroahina hody.
Rehefa nahatsapa ny tenany ho tonga halan’i Davida i Hanòna sy ny Hamônita, dia nampanatitra volafotsy tokony ho telopolo taonina ho an’ny Sirianina tany Mezôpôtamia ambony sy tany Mahekà ary tany Tsôbà mba hanakarama kalesy sy mpitaingin-tsoavaly.
Nalahelo mafy ireo mpanompo namany nony nahita ny zava-nitranga, ka lasa nitantara izany rehetra izany tamin’ny tompony.