Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 19:17 - DIEM PROTESTANTA

Nambara tamin’i Davida izany; koa namory ny tafika israelita manontolo izy, dia niampita an’i Jôrdàna, ary tonga teo akaikin’ny Sirianina ka nilahatra hiady aminy. Vao nalahatr’i Davida hiady amin’ny Sirianina ny miaramilany, dia namely azy ny Sirianina;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony nambara tamin’i Davida izany dia namory ny Israely rehetra izy ka lasa nita an’i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Nony nilahatra hiady amin’ny Arameana i Davida dia niady taminy ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nambara tamin’i Davida izany; koa namory ny tafika israelita manontolo izy, dia niampita an’i Jôrdàna, ary tonga teo akaikin’ny Sirianina ka nilahatra hiady aminy. Vao nalahatr’i Davida hiady amin’ny Sirianina ny miaramilany, dia namely azy ny Sirianina;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Vao nandre izany vaovao izany i Davida dia namory an’i Israely rehetra ka nita an’i Jordany, nandroso hitsena azy sy nandahatra ny hamelezana azy ireo; ary nandahatra ny tafiny hiady amin’ny Sirianina i Davida. Izy ireo no nanomboka ny ady taminy, kanjo vaky nandositra teo anoloan’i Israely ny Sirianina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony nambara tamin’i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an’i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin'ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony nambara tamin’i Davida izany dia namory ny Israely rehetra izy ka lasa nita an’i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Nony nilahatra hiady amin’ny Arameana i Davida dia niady taminy ireo.

Jereo ny toko



1Tantara 19:17
5 Rohy Ifampitohizana  

Nambara tamin’i Davida izany; koa namory ny tafika israelita manontolo izy, dia nita an’i Jôrdàna ary tonga tany Helama. Nitandahatra teo anoloan’i Davida ny Sirianina ka nandrafitra ady taminy.


Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan’ny Israelita ireto Sirianina ireto, dia naniraka olona hanetsika ny Sirianina izay tany am-pitan’ny ony Eofrata; ary i Sôfàka, filohan’ny tafik’i Hadadehezera, no nitarika azy.


kanjo vaky nandositra teo anoloan’ny Israelita ireo ka nahafatesan-dry i Davida 7 000 olona tao an-kalesy 7 000 sy miaramila an-tongotra 40 000; sady matiny koa i Sôfàka filohan-tafika.


Ary niainga kosa ny Hamônita ka nilahatra hiady teo akaikin’ny vavahadin-drenivohiny; fa ireo mpanjaka izay tonga hanampy kosa naka toerana teny an-tsaha.