Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 17:27 - DIEM PROTESTANTA

Koa dia ho sitrakao ny hitahy ireo taranako mba hitohy mandrakizay eo anatrehanao; satria raha Ianao no mitahy, TOMPO ô, dia ho voatahy mandrakizay izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, TOMPO ô, dia voatahy mandrakizay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa dia ho sitrakao ny hitahy ireo taranako mba hitohy mandrakizay eo anatrehanao; satria raha Ianao no mitahy, TOMPO ô, dia ho voatahy mandrakizay izy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Sitrakao ny hitso-drano ny fianakavian’ny mpanomponao ankehitriny, haharetany mandrakizay eo anatrehanao, fa izay tsofinao rano, ry Iaveh ô, dia voatso-drano mandrakizay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, TOMPO ô, dia voatahy mandrakizay.

Jereo ny toko



1Tantara 17:27
12 Rohy Ifampitohizana  

Dia nangovitra fatratra i Itsehàka, ka nanontany hoe: –Fa iza àry ilay nihaza, dia nitondra ny hazany teto amiko ka nihinanako talohan’ny nahatongavanao? Izy no efa notsofiko rano; eny, hotahîna tokoa izy.


Eny, hanody tokoa amin’i Jôaba sy ny taranany mandrakizay izany; fa fiadanana mandrakizay avy amin’ny TOMPO kosa no ho amin’i Davida sy ny taranany mbamin’ny fianakaviany ary ny sezafiandrianany.


Izaho Salômôna mpanjaka kosa hotahina; ary ny sezafiandrianan’i Davida hampitoerina mandrakizay eo anatrehan’ny TOMPO.


TOMPO ô, Ianao mihitsy no Andriamanitra, ary izaho mpanomponao no efa nampanantenainao izany zava-tsoa izany.


Taorian’izany, dia nandresy ny Filistinina i Davida ka nampilefitra azy ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina i Gata sy ireo tanàna kely manodidina azy.


Nefa kosa ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely, efa nifidy ahy teo anivon’ny ankohonan-draiko rehetra mba ho mpanjaka hifehy an’i Israely hatrany. Satria i Joda no voafidiny ho mpanapaka; teo anivon’ny fokon’i Joda, dia ny ankohonan-draiko no voafidiny; ary teo anivon’ny ankohonan-draiko, dia ny tenako no nankasitrahiny hampanjakaina amin’i Israely manontolo.


Noho ny fandresenao dia lehibe ny voninahiny: fiandrianana sy laza no arakotrao azy.


Ny lazan’ny mpanjaka anie ho mandrakizay ka hitatra hatrany eto ambany masoandro! Izy anie ho fitahiana ireo fokon’ny tany tontolo ka hataon’ny firenena rehetra hoe: «Sambatra!»


Efa nekeko ny hitsodrano ity vahoaka ity; ary efa nitsodrano azy rahateo ny TOMPO ka tsy afaka hanova na inona na inona aho.


Satria tsy anenenan’Andriamanitra ny fanomezam-pahasoavany sy ny fiantsoany.


Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin’ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin’i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra.


Eny, hotahîn’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo, araka izay nampanantenainy anareo; ka ianareo tsy mba hisy hisambo-bola fa firenena maro kosa no hampisamborinareo vola; firenena maro no hofehezinareo, fa ianareo kosa tsy mba hofeheziny.