Dia hoy i Natàna namaly ny mpanjaka: –Andeha tanteraho avokoa izay noeritreretinao hatao; fa momba anao ny TOMPO.
1Tantara 17:2 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy i Natàna namaly an’i Davida: –Tanteraho avokoa izay noeritreretinao hatao; fa momba anao Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Natana tamin’i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy i Natàna namaly an’i Davida: –Tanteraho avokoa izay noeritreretinao hatao; fa momba anao Andriamanitra. Baiboly Katolika Ary hoy i Natàna namaly an’i Davida: «Ataovy izay ao am-ponao, fa momba anao Andriamanitra.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Natana tamin’i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao. Malagasy Bible Ary hoy Natana tamin'i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao. La Bible en Malgache Ary hoy i Natana tamin’i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao. |
Dia hoy i Natàna namaly ny mpanjaka: –Andeha tanteraho avokoa izay noeritreretinao hatao; fa momba anao ny TOMPO.
Efa mby tao am-pon’i Davida raiko ny hanorina tempoly ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.
Taorian’izany i Davida dia nipetraka tao amin’ny lapany; ka hoy izy tamin’i Natàna mpaminany: –Indro aho ity mipetraka amin’ny lapa vita hazo sedera kanefa ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO kosa ao anaty tranolay!
sady niteny taminy hoe: –Anaka efa mby tato am-poko ny hanorina trano ho an’ny TOMPO Andriamanitro;
Dia nitsangana i Davida mpanjaka, ka nanao hoe: –Henoy aho, ry havako sy mpiray firenena amiko! Raha izaho, dia efa fikasàko ny hanorina tempoly hipetrahan’ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, izany hoe ilay fitoeran-tongotry ny Andriamanitsika; ary efa novononiko izay hoenti-manorina azy.
Amin’izay andro izay, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao, dia hisy vahiny folo izay samy hafa fiteny hihazona Jiosy iray amin’ny sisin’akanjony, ka hitambezo aminy hoe: ‹Mba te handeha hiaraka aminareo izahay, satria efa renay fa momba anareo Andriamanitra›.»
Niditra tao an-tranon’i Maria ilay anjely ka nanao taminy hoe: –Mifalia, ry nohasoavin’ny Tompo! Momba anao hatrany Izy!
Ary nihinanan’ny Israelita ny vatsin-dry zareo fa tsy nanontaniany akory ny TOMPO ny amin’io.
Rehefa tanteraka aminao ireo famantarana ireo, dia ho fantatrao fa Andriamanitra tokoa no momba anao koa ataovy izay fantatrao fa mety.
Nefa hoy ny TOMPO taminy: «Aza sodokan’ny tarehiny sy ny tsanganany ianao, fa tsy nifidy azy Aho akory. Tsy mba mitsara toy izay ataon’olombelona Aho. Ny olona mijery ivelany fotsiny ihany, fa Izaho TOMPO kosa mahita hatramin’ny atin’ny fo.»