Noho ny fampanantenànao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao hampahalalainao ahy.
1Tantara 17:19 - DIEM PROTESTANTA TOMPO ô, noho ny amiko mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao mba hampahalalanao ny zava-dehibe rehetra vitanao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 TOMPO ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara TOMPO ô, noho ny amiko mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao mba hampahalalanao ny zava-dehibe rehetra vitanao. Baiboly Katolika Iaveh ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny Fonao, no nanaovanao izany zava-dehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao ireo zava-dehibe ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Jehovah ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo. Malagasy Bible Jehovah ô, noho ny amin'ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo. La Bible en Malgache TOMPO ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo. |
Noho ny fampanantenànao sy araka ny sitraponao no nanaovanao izao asa lehibe manontolo izao hampahalalainao ahy.
inona no mbola azoko lazaina aminao momba ny voninahitra nomenao ahy satria Ianao no mahalala ahy mpanomponao?
TOMPO ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.
Ny vahoakany nanehoany ny hery ampiasainy, fony nomeny azy ny tanin’ireo hafa firenena.
TOMPO ô, mpanomponao aho; eny, mpanomponao tokoa aho sady zanaky ny mpanompovavinao, ka novahanao ny fatorako.
Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.
Ary ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny vavaka amam-pifonako; ka jereo amin-katsarampo ny Toeramasinao efa simba, satria Ianao no Tompo.
Izany rahateo no fandaharana hatrizay hatrizay ka notanterahin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa Tompontsika.