1Tantara 16:9 - DIEM PROTESTANTA Mihirà ho Azy ary mankalazà Azy amin-java-maneno; tantarao ny asa mahagaga rehetra nataony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mihirà ho Azy, mankalazà Azy! Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mihirà ho Azy ary mankalazà Azy amin-java-maneno; tantarao ny asa mahagaga rehetra nataony. Baiboly Katolika Manaova hira fanajana Azy, mihirà Salamo fanajana Azy. Torio ny fahagagana rehetra nataony. Baiboly Protestanta Malagasy Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony. Malagasy Bible Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony. La Bible en Malgache Mihirà ho Azy, mankalazà Azy! Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony! |
Ambarao amin’ireo firenena ny voninahiny, lazao amin’ny vahoaka rehetra ny zava-mahagaga nataony.
Miderà ny TOMPO ianareo: ataovy antso avo ny lazany, ampahafantaro ny firenen-kafa ny asany lehibe!
Ny vahoakanao tafangona maro no hilazako vaovao mahafaly ny amin’ny fanafahanao. Indro tsy hangina mihitsy aho, ary fantatrao izany, ry TOMPO ô!
Hatry ny fony aho mbola tanora no efa nampianarinao, Andriamanitra ô; ary mandraka izao dia tsy mitsahatra manambara ireo asanao mahagaga.
Toy izany no nifampiresahan’ireo manaja ny TOMPO. Dia nihaino tsara ny TOMPO ka nandre izany. Nisy firaketana an-tsoratra teo anatrehan’ny TOMPO an’ireo manaja Azy sy mankamamy ny anarany.
Ary rehefa avy nihira ny salamo fiderana i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra Analanôliva.
Manaova salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina; antsa sy salamo no kaloy amin’ny fo tokoa ho an’ny Tompo.
Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo, ka hifampianatra sy hifananatra amim-pahendrena tanteraka ianareo; noho ny fahasoavana manenika anareo, dia mihirà amin’ny fonareo tokoa ho an’Andriamanitra ka mikaloa salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina.
Misy ory ve ianareo? Aoka izy hivavaka. Misy finaritra ve? Aoka izy ho velon-kira fiderana.