Ianareo fianakaviamben’ny firenen-drehetra, tolory haja ny TOMPO fa be voninahitra sy hery.
1Tantara 16:29 - DIEM PROTESTANTA Tolory haja ny TOMPO satria be voninahitra Izy. Mitondrà fanatitra ka mankanesa eo anatrehany; dia miankohofa eo anatrehan’ny TOMPO, rehefa miseho ny fahamasinany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Omeo NY TOMPO ny voninahitry ny anarany! Manolora fanatitra ka mankanesa eo anatrehany! Miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO amin’ny fihaingoana masina! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tolory haja ny TOMPO satria be voninahitra Izy. Mitondrà fanatitra ka mankanesa eo anatrehany; dia miankohofa eo anatrehan’ny TOMPO, rehefa miseho ny fahamasinany. Baiboly Katolika omeo an’i Iaveh ny voninahitra ho an’ny Anarany. Mitondrà fanatitra ka mankanesa eo anatrehany; mitsaoha an’i Iaveh amin’ny fanamiana masina. Baiboly Protestanta Malagasy Manomeza an’i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan’i Jehovah amin’ny fihaingoana masina Malagasy Bible Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina La Bible en Malgache Omeo NY TOMPO ny voninahitry ny anarany! Manolora fanatitra ka mankanesa eo anatrehany! Miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO amin’ny fihaingoana masina! |
Ianareo fianakaviamben’ny firenen-drehetra, tolory haja ny TOMPO fa be voninahitra sy hery.
Mangovita eo anoloany, ry mponin’ny tany tontolo, fa izao rehetra izao voaorina mafy ka tsy hihontsona.
Rehefa niara-nidinika tamin’ny vahoaka i Jôsafata, dia nanendry mpihira hialoha ny tafika, ka hanao fanamiana masina sady hidera ny TOMPO hanao hoe: «Miderà ny TOMPO ianareo; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!»
Ny vavahadin’ny tempoliny, idiro amin-tsaotra; ireo kianja ao anatiny, idiro amin-dera; isaory Izy, ary ankalazao ny anarany.
Miaramila voafantina no miaraka aminao amin’ny andro amorianao ny tafikao. Eny amin’ny tendrombohitra masina no hanatona Anao ireo zatovolahinao toy ny ando napoitran’ny mazavatsinanana.
Salamo nataon’i Davida. Ianareo anjely, tolory haja ny TOMPO, eny, tolory haja IZY fa be voninahitra sy hery;
Atolory AZY ny voninahitry ny anarany, ka dia miankohofa eo anatrehan’ny TOMPO rehefa miseho ny fahamasinany.
Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny an’ireo nosy dia handefa fanomezana ho azy; ny mpanjakan’i Sabà sy ny an’i Sebà kosa ho avy handoa hetra aminy.
Ho ela velona anie ny mpanjaka! Aoka ho volamena avy any Sabà no hatao fanomezana ho azy! Enga anie izy harahim-bavaka lalandava sady horarîna soa isan’andro isan’andro!
Fahalehibeazana sy famirapiratana no manodidina Azy ary hery sy fiandrianana no mameno ny Toeramasiny.
Ianareo fianakaviamben’ny firenen-drehetra, tolory haja ny TOMPO fa be voninahitra sy hery.
dia miankohofa eo anatrehan’ny TOMPO, rehefa miseho ny fahamasinany. Mangovita eo anoloany, ry mponin’ny tany tontolo.
Mifohaza ianao, ry Tsiôna ô, mifohaza ka tafio indray ny herinao; tafio indray ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema tanàna masina! Satria tsy hiditra ao aminao intsony ny tsy mifora sy ny olona maloto ara-pivavahana.
Ary niantso mafy ireo ka nifamaly hoe: «Masina, masina, masina ny TOMPOn’izao rehetra izao! Feno ny voninahiny ny tany manontolo!»
«Ianao kosa, ry ilay taranak’olombelona, mihainoa: Indray andro any, dia hoesoriko tsy ho eo aminy ny toera-masina izay fiarovany sy fahafinaretan’ny voninahiny ary fifalian’ny masony sy hamamiam-piainany; hoesoriko aminy koa ny zanany lahy sy vavy.
Ny firàvany tsara tarehy dia niteraka avonavona tao aminy ka nisy namboarany sarivongan-tsampy maharikoriko sy mahatsiravina. Izany no nanaovako ireny firàvany ireny ho zavatra mankaloiloy azy.
nanao hoe: «Amen! An’Andriamanitsika ny dera sy ny voninahitra amam-pahendrena, ny saotra sy ny haja ary ny fahefana sy ny hery, mandrakizay mandrakizay! Amen.»
Koa manaova sarin’ny kitsonareo sy sarin’ny totozy mpandevona ny taninareo ary atolory izany ho fanomezam-boninahitra ny Andriamanitr’i Israely. Angamba mba hitsahatra tsy hanampatra ny heriny aminareo sy amin’ny andriamanitrareo ary amin’ny taninareo Izy.