1Tantara 16:11 - DIEM PROTESTANTA Katsaho ny TOMPO mahery; tadiavo lalandava ny fanatrehany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mitadiava NY TOMPO sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Katsaho ny TOMPO mahery; tadiavo lalandava ny fanatrehany. Baiboly Katolika Katsaho i Iaveh sy ny heriny, tadiavo lalandava ny tavany. Baiboly Protestanta Malagasy Mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany. Malagasy Bible Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany. La Bible en Malgache Mitadiava NY TOMPO sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany! |
«Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra ô, avia honina amin’ny toeram-pitsaharanao, dia Ianao sy ilay Vatamasina itoeran’ny herinao. Ry TOMPO Andriamanitra ô, aoka ny mpisoronao hitafy famonjena, ary aoka ireo mpivavaka aminao hifaly heni-kasambarana!
Izany no karazan’olona mitady an’Andriamanitra, te hiatrika an’ilay Andriamanitr’i Jakôba! Fiatoana
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha. Tononkira.
Koa ekeo fa an’Andriamanitra ny hery: mifehy an’i Israely ny fiandrianany ary miery ao anaty rahona ny heriny.
Tadiavo ny TOMPO, dia ho velona ianareo. Fa raha tsy mitady Azy ianareo, ry taranak’i Jôsefa, dia hilatsaka aminareo tahaka ny afo Izy ka handevona an’i Betela, ary tsy hisy olona hahafaty ny afo.