Ireo lehiben’ny levita kosa nasain’i Davida hanendry ny namany izay tokony hihira miaraka amin’ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary ny kipantsona, ka hampanakoako ny feon-kira ho mariky ny firavoravoana.
1Tantara 15:22 - DIEM PROTESTANTA I Kenanià, lehiben’ny levita nisahana ny fitondrana ny Vatamasina, no nampianatra momba ny fitondrana azy satria nanavanana azy izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Kenania, lehiben’ny levita, no tonian’ny fitondrana entana; nampianatra ny fitondrana entana izy satria hainy izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Kenanià, lehiben’ny levita nisahana ny fitondrana ny Vatamasina, no nampianatra momba ny fitondrana azy satria nanavanana azy izany. Baiboly Katolika I Koneniasa, lehiben’ny Levita momba ny fitondrana ny fanaka no nitarika ny fitondrana, fa nahay izany izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Kenania, lehiben’ny Levita, no tonian’ny fitondrana; ary nampianatra ny fitondrana izy, fa nahay. Malagasy Bible Ary Kenania, lehiben'ny Levita, no tonian'ny fitondrana; ary nampianatra ny fitondrana izy, fa nahay. La Bible en Malgache I Kenania, lehiben’ny levita, no tonian’ny fitondrana entana; nampianatra ny fitondrana entana izy satria hainy izany. |
Ireo lehiben’ny levita kosa nasain’i Davida hanendry ny namany izay tokony hihira miaraka amin’ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary ny kipantsona, ka hampanakoako ny feon-kira ho mariky ny firavoravoana.
i Matitià sy i Elifalà, i Mikneià sy i Hôbeda-Edôma ary i Jehiela sy i Hazazià kosa no nitendry tamin’ny lokanga ireo gadom-peo ambany mba hanaingàn-kira.
Akanjo rongony fotsy madinika no nanaovan’i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny Vatamasina, sy ny mpiventy hira mbamin’i Kenanià lehiben’ny fitondrana ny Vatamasina. Ary ankoatra izany i Davida dia nisalotra ny lambahoany rongony fanaon’ny mpisorona.