Ho eo anilanao any koa i Tsadôka sy i Abiatara mpisorona. Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon’ny mpanjaka, dia ambarao amin’i Tsadôka sy Abiatara.
1Tantara 15:11 - DIEM PROTESTANTA Nantsoin’i Davida ny mpisorona, dia ry i Tsadôka sy i Abiatara, nantsoiny koa ny levita, dia ry i Oriela sy i Hasaià ary i Jôela mbamin-dry i Semahià sy i Eliela ary i Haminadaba, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Davida niantso an’i Zadoka sy i Abiatara mpisorona ary ny levita, dia i Oriela, i Asaia, i Joela, i Semaia, i Eliela ary i Aminadaba, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nantsoin’i Davida ny mpisorona, dia ry i Tsadôka sy i Abiatara, nantsoiny koa ny levita, dia ry i Oriela sy i Hasaià ary i Jôela mbamin-dry i Semahià sy i Eliela ary i Haminadaba, Baiboly Katolika Nantsoin’i Davida ny mpisorona Sadôka sy i Abiatara, ary ny Levita, i Oriela, i Asaiasa, i Joela, i Semeiàsa, i Eliala ary i Aminadaba. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Davida niantso an’i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba, Malagasy Bible Ary Davida niantso an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba, La Bible en Malgache Ary i Davida niantso an’i Zadoka sy i Abiatara mpisorona ary ny levita, dia i Oriela, i Asaia, i Joela, i Semaia, i Eliela ary i Aminadaba, |
Ho eo anilanao any koa i Tsadôka sy i Abiatara mpisorona. Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon’ny mpanjaka, dia ambarao amin’i Tsadôka sy Abiatara.
i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Seraià no mpitantsoratra;
Hoy kosa ny mpanjaka tamin’i Abiatara mpisorona: –Mankanesa any Hanatôta any amin’ny taninao, fa olona mendrika ho faty ianao; nefa tsy anio akory no hataoko maty ianao, satria efa mba nitondra ny Vatamasin’ny Tompo ANDRIANANAHARY ihany ianao tamin’ny andron’i Davida raiko sady niara-niaritra ny mafy rehetra nozakainy.
I Benaià zanakalahin’i Jôiadà no nasolon’ny mpanjaka azy ho filohan-tafika, ary i Tsadôka mpisorona kosa no nasolony an’i Abiatara.
Ny adidy nankinin’i Davida tamin’i Tsadôka mpisorona sy ny mpisorona namany kosa dia ny raharaha teo anoloan’ny Tranolain’ny TOMPO izay tao amin’ny toeram-panasinana any Gibehôna.
i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Abimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Savesà no mpitantsoratra;