Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 15:11 - DIEM PROTESTANTA

Nantsoin’i Davida ny mpisorona, dia ry i Tsadôka sy i Abiatara, nantsoiny koa ny levita, dia ry i Oriela sy i Hasaià ary i Jôela mbamin-dry i Semahià sy i Eliela ary i Haminadaba,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Davida niantso an’i Zadoka sy i Abiatara mpisorona ary ny levita, dia i Oriela, i Asaia, i Joela, i Semaia, i Eliela ary i Aminadaba,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nantsoin’i Davida ny mpisorona, dia ry i Tsadôka sy i Abiatara, nantsoiny koa ny levita, dia ry i Oriela sy i Hasaià ary i Jôela mbamin-dry i Semahià sy i Eliela ary i Haminadaba,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nantsoin’i Davida ny mpisorona Sadôka sy i Abiatara, ary ny Levita, i Oriela, i Asaiasa, i Joela, i Semeiàsa, i Eliala ary i Aminadaba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Davida niantso an’i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Davida niantso an'i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Davida niantso an’i Zadoka sy i Abiatara mpisorona ary ny levita, dia i Oriela, i Asaia, i Joela, i Semaia, i Eliela ary i Aminadaba,

Jereo ny toko



1Tantara 15:11
11 Rohy Ifampitohizana  

Ho eo anilanao any koa i Tsadôka sy i Abiatara mpisorona. Koa izay zavatra rehetra renao avy ao an-tranon’ny mpanjaka, dia ambarao amin’i Tsadôka sy Abiatara.


i Sevà no mpitantsoratra; i Tsadôka sy i Abiatara no mpisorona;


i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Ahimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Seraià no mpitantsoratra;


Hoy kosa ny mpanjaka tamin’i Abiatara mpisorona: –Mankanesa any Hanatôta any amin’ny taninao, fa olona mendrika ho faty ianao; nefa tsy anio akory no hataoko maty ianao, satria efa mba nitondra ny Vatamasin’ny Tompo ANDRIANANAHARY ihany ianao tamin’ny andron’i Davida raiko sady niara-niaritra ny mafy rehetra nozakainy.


I Benaià zanakalahin’i Jôiadà no nasolon’ny mpanjaka azy ho filohan-tafika, ary i Tsadôka mpisorona kosa no nasolony an’i Abiatara.


niampy an’i Jôiadà, filohan’ny taranak’i Aharôna, niaraka tamin’ny 3 700 lahy,


tamin’ny taranak’i Hoziela dia i Haminadaba lehibeny mbamin’ny namany 112 lahy.


Ny adidy nankinin’i Davida tamin’i Tsadôka mpisorona sy ny mpisorona namany kosa dia ny raharaha teo anoloan’ny Tranolain’ny TOMPO izay tao amin’ny toeram-panasinana any Gibehôna.


i Tsadôka zanakalahin’i Ahitoba mbamin’i Abimelèka zanakalahin’i Abiatara no mpisorona; i Savesà no mpitantsoratra;