sy niampy an’i Tsadôka, tovolahy maherifo, niaraka tamin’ny 22 lahy samy filoha teo amin’ny fianakavian-drainy.
1Tantara 12:2 - DIEM PROTESTANTA sady mpitondra tsipìka sy antsamotady ka mahay manavia sy manavanana raha mandefa vato sy zana-tsipîka. Ireto ny avy amin’ny tarik’i Saoly, anisan’ny fokon’i Benjamîna: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan’ny Benjaminita, rahalahin’i Saoly, ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara sady mpitondra tsipìka sy antsamotady ka mahay manavia sy manavanana raha mandefa vato sy zana-tsipîka. Ireto ny avy amin’ny tarik’i Saoly, anisan’ny fokon’i Benjamîna: Baiboly Katolika Mpandefa tsipìka zatra manavia manavanana raha mandefa vato, zatra mandefa zana-tsipìka amin’ny tsipìkany; avy amin’ny rahalahin’i Saola, amin’i Benjamina: Baiboly Protestanta Malagasy sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan’ny Benjamita, rahalahin’i Saoly, ireo. Malagasy Bible sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan'ny Benjamita, rahalahin'i Saoly, ireo. La Bible en Malgache sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan’ny Benjaminita, rahalahin’i Saoly, ireo. |
sy niampy an’i Tsadôka, tovolahy maherifo, niaraka tamin’ny 22 lahy samy filoha teo amin’ny fianakavian-drainy.
i Ahihezera, filohany, sy i Joasy rahalahiny, zanakalahin’i Semahà avy any Gibehà; i Jeziela sy i Peleta, zanakalahin’i Hazmavety; i Berekià sy i Jehò, avy any Hanatôta;
Ireo zanakalahin’i Olama dia lehilahy mahery sy mpandefa zana-tsipîka, sady nanan-janakalahy aman-jafy maro miisa 150. Ireo rehetra ireo no taranak’i Benjamîna.
Ny olona tao amin’ny fokon’i Efraîma, izay nirongo tsipîka sy zana-tsipîka, dia nandositra tamin’ny andro fiadiana:
Io tafika benjaminita manontolo io dia nisy miaramila voafantina fitonjato lahy samy kavia avokoa ary afa-nitoraka singam-bolo tamin’ny antsamotady nefa tsy mivaona.
Niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny Israelita ka nanirahany mpamonjy, dia i Ehoda, lehilahy kavia, izay zanak’i Gerà avy amin’ny fokon’i Benjamîna. Dia nalefan’ny Israelita i Ehoda mba hitondra fanomezana ho an’i Heglôna, mpanjakan’i Môaba.
Nandray vato tao anaty kitapony i Davida ary nandefa izany tamin’ny antsamotady ka nahavoa ilay Filistinina teo an-tampon-kandriny. Tafalentika teo ilay vato ka nidaraboka niankohoka tamin’ny tany izy.