Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 11:7 - DIEM PROTESTANTA

Ary nipetraka tao amin’ilay tanànamimanda i Davida, koa izany no niantsoana azy hoe «Tanànan’i Davida».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nitoetra tao anatin’ny manda fiarovana i Davida ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan’i Davida.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nipetraka tao amin’ilay tanànamimanda i Davida, koa izany no niantsoana azy hoe «Tanànan’i Davida».

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nitoetra tao anatin’ny trano mimanda i Davida, ka izany no niantsoana azy hoe: tanànan’i Davida.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nitoetra tao anatin’ny batery fiarovana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan’i Davida.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarotana Davida, ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan'i Davida

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nitoetra tao anatin’ny manda fiarovana i Davida ka izany no nanaovana ny anarany hoe Tanànan’i Davida.

Jereo ny toko



1Tantara 11:7
5 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo azon’i Davida ihany ilay tanànamimanda, dia i Tsiôna izay hatao hoe Tanànan’i Davida.


Dia hoy ireo mponina tao Jebosa tamin’i Davida: –Tsy ho tafiditra ato an-tanànanay ianao! Kanjo azon’i Davida ihany ny tanànamimanda, dia i Tsiôna izay hatao hoe «Tanànan’i Davida».


Dia hoy i Davida: «Izay hamely voalohany ny Jebosita dia hatao filohan’ny tafika». Ary i Jôaba, zanakalahin’i Tseroià, no nanafika voalohany; koa izy no nanjary filohan’ny tafika.


Dia narafitr’i Davida ny tanàna manodidina, manomboka hatreo Milao ka miafara amin’ny trano fonenany; fa i Jôaba kosa no nanamboatra ny sisa tamin’ny tanàna.


«Izaho no manendry Azy ho mpanjaka eo Tsiôna tendrombohitro masina!»