Ireto avy ny anaran’ireo kalazan’i Davida: i Isbahala, zanakalahin’i Hakmônỳ sady filohan’ny «Tariky ny telo lahy». Izy no ilay nampandihy ny lefony hamelezana fahavalo valonjato lahy ka nahafaty azy tamin’ny ady indray mandeha monja.
1Tantara 11:11 - DIEM PROTESTANTA Izao no lisitr’ireo kalazan’i Davida: I Isbahala, zanakalahin’i Hakmônỳ sady filohan’ny «Tariky ny telo lahy». Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato lahy ka nahafaty azy tamin’ny ady indray mandeha monja. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no isan’ny lehilahy maherin’i Davida: I Jasobeama, zanak’i Hakmony, lehiben’ny mpanafika malaza; izy no namely telonjato lahy tamin’ny lefona ka naharingana azy tamin’ny ady indray mandeha monja. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no lisitr’ireo kalazan’i Davida: I Isbahala, zanakalahin’i Hakmônỳ sady filohan’ny «Tariky ny telo lahy». Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato lahy ka nahafaty azy tamin’ny ady indray mandeha monja. Baiboly Katolika Dia izao no isan’ny lehilahy mahery tao amin’i Davida: i Jesbôama, zanak’i Hakamonì, lehiben’ny Telopolo lahy: izy no nampandihy ny lefony tamin’ny olona telon-jato lahy, izay novonoiny tamin’ny indray mandeha monja. Baiboly Protestanta Malagasy Dia izao no isan’ny lehilahy maherin’i Davida: Jasobeama, zanak’i Hakmony, lehiben’ny mpanafika malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin’ny lefona ka naharingana azy tamin’ny ady indray mandeha monja. Malagasy Bible Dia izao no isan'ny lehilahy maherin'i Davida: Jasobeama, zanak'i Hakmony, lehiben'ny mpanafika malaza; izy no namely telon-jato lahy tamin'ny lefona ka naharingana azy tamin'ny ady indray mandeha monja. La Bible en Malgache Izao no isan’ny lehilahy maherin’i Davida: I Jasobeama, zanak’i Hakmony, lehiben’ny mpanafika malaza; izy no namely telonjato lahy tamin’ny lefona ka naharingana azy tamin’ny ady indray mandeha monja. |
Ireto avy ny anaran’ireo kalazan’i Davida: i Isbahala, zanakalahin’i Hakmônỳ sady filohan’ny «Tariky ny telo lahy». Izy no ilay nampandihy ny lefony hamelezana fahavalo valonjato lahy ka nahafaty azy tamin’ny ady indray mandeha monja.
Dia nivoaka hitsena azy i Davida ka nanao taminy hoe: –Raha fihavanana no ahatongavanareo atỳ amiko mba hanampy ahy, dia amin’ny foko tokoa no hikambanako aminareo; fa raha hamadika ahy kosa mba hanolotra ahy amin’ny fahavaloko, na tsy nanao an-keriny aza ny tanako, dia aoka ilay Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly anareo!
ka ireto avy no mpibaiko azy: Volana voalohany: I Jasôbehama, zanakalahin’i Zabdiela sady isan’ny taranak’i Peretsa; filohan’ireo mpifehy miaramila rehetra izy amin’ny volana voalohany. Volana faharoa: i Dôday, avy any Ahôa; ilay komandy atao hoe Miklôta no manampy azy. Volana fahatelo: i Benaià, zanakalahin’i Jôiadà mpisorombe. Lehilahy mahery anisan’ireo «Telopolo lahy» i Benaià; ary rehefa nanjary mpitarika ny «Telopolo lahy» izy, dia i Hamizabada zanany lahy no mpibaiko ny antokon-tafika. Volana fahefatra: i Hasahela, rahalahin’i Jôaba; ary dia i Zebadià zanany lahy kosa tatỳ aoriana. Volana fahenina: i Hirà, zanakalahin’i Hikesy, avy any Tekôa. Volana fahafito: i Heletsa, avy any Peleta, isan’ny taranak’i Efraîma. Volana fahavalo: i Sibekay, avy any Hosà, isan’ny taranak’i Zera. Volana fahasivy: i Abihezera, avy any Hanatôta, isan’ny taranak’i Benjamîna. Volana fahafolo: i Maharay, avy any Netôfa, isan’ny taranak’i Zera. Volana faha-11: i Benaià, avy any Pirehatôna, isan’ny taranak’i Efraîma. Volana faha-12: i Helday, avy any Netôfà, isan’ny taranak’i Hôtniela.