Ny zanakalahin’i Lôtàna dia i Hôry sy i Hemàma. Nanana anabavy atao hoe Timnà i Lôtàna.
1Tantara 1:39 - DIEM PROTESTANTA Ny zanakalahin’i Lôtàna dia i Hôrỳ sy i Hômàna. I Lôtàna dia nanana anabavy atao hoe Timnà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Lotana dia i Hory sy i Homama. Ny anabavin’i Lotana dia i Timna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zanakalahin’i Lôtàna dia i Hôrỳ sy i Hômàna. I Lôtàna dia nanana anabavy atao hoe Timnà. Baiboly Katolika Zanak’i Lôtàna: i Hôri, sy i Hômama. Anabavin’i Lôtàna: i Thamnà. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanakalahin’i Lotana dia Hory sy Homama; ary Timna no anabavin’i Lotana. Malagasy Bible Ary ny zanakalahin'i Lotana dia Hory sy Homama; ary Timna no anabavin'i Lotana. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Lotana dia i Hory sy i Homama. Ny anabavin’i Lotana dia i Timna. |
Ny zanakalahin’i Lôtàna dia i Hôry sy i Hemàma. Nanana anabavy atao hoe Timnà i Lôtàna.
Ny zanakalahin’i Sehira dia i Lôtàna sy i Sôbala, i Tsibehôna (izay rain’i Hanà sady raiben’i Disôna), i Etsèra ary i Disàna.
Ny zanakalahin’i Sôbala dia i Haliàna sy i Manahata, i Hebala sy i Sefao ary i Ônama. Ny zanakalahin’i Tsibehôna dia i Aià sy i Hanà.
Ny faritany Sehîra kosa fahiny dia nonenan’ny Hôrita, saingy ny taranak’i Hesao no nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany ary nonina nisolo azy. Toy izany koa no nataon’ny Israelita teo amin’ny tany nomen’ny TOMPO azy ho fananany.
Toy izany koa no nataon’ny TOMPO ho an’ny Edômita taranak’i Hesao, izay nonina tany Sehîra, fa naringany tsy ho eo anoloan’ny Edômita ireo Hôrita; dia nandroaka ny Hôrita ny Edômita ka nonina nisolo azy mandraka androany.