Raha nandalo ireo lehilahy midianita mpivarotra, dia nakariny avy tao an-davaka i Jôsefa ary namidiny sekela volafotsy roapolo tamin’ny Ismaelita izay nitondra azy nankany Ejipta.
1Tantara 1:32 - DIEM PROTESTANTA Ny zanakalahy naterak’i Ketorà, vadikelin’i Abrahama, dia i Zimràna, i Jôksàna, i Medàna, i Midiàna, i Jisbàka ary i Soha. Ny zanakalahin’i Jôksàna dia i Sebà sy i Dedàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zanakalahin’i Ketora, vady tsindranon’i Abrahama: Izy no niteraka an’i Zimrama, i Joksana, i Medana, i Midiana, i Jisbaka ary i Soaha. Ny zanakalahin’i Joksana dia i Sheba sy i Dedana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny zanakalahy naterak’i Ketorà, vadikelin’i Abrahama, dia i Zimràna, i Jôksàna, i Medàna, i Midiàna, i Jisbàka ary i Soha. Ny zanakalahin’i Jôksàna dia i Sebà sy i Dedàna. Baiboly Katolika Zanaka lahin’i Setorà, vaditsindranon’i Abrahama: ny naterany dia i Zamrama, i Jeksàna, i Madàna, i Madiàna, i Jesbaoka, ary i Soe. Zanak’i Jeksàna: i Sabà sy i Dadàna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zanakalahin’i Ketora, vaditsindranon’i Abrahama: izy no niteraka an’i Zimrama sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha. Ary ny zanakalahin’i Joksana dia Sheba sy Dedana. Malagasy Bible Ary ny zanakalahin'i Ketora, vaditsindranon'i Abrahama. Izy no niteraka an'i Zimrama sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha. Ary ny zanakalahin'i Joksana dia Sheba sy Dedana. La Bible en Malgache Ny zanakalahin’i Ketora, vady tsindranon’i Abrahama: Izy no niteraka an’i Zimrama, i Joksana, i Medana, i Midiana, i Jisbaka ary i Soaha. Ny zanakalahin’i Joksana dia i Sheba sy i Dedana. |
Raha nandalo ireo lehilahy midianita mpivarotra, dia nakariny avy tao an-davaka i Jôsefa ary namidiny sekela volafotsy roapolo tamin’ny Ismaelita izay nitondra azy nankany Ejipta.
Ny mpanjakavavin’i Sebà dia nahare ny laza nananan’i Salômôna noho ny anaran’ny TOMPO, ka avy hitsapa azy tamin’ny fanontaniana sarotra.
Ny zanakalahin’i Midiàna dia i Hefà sy i Hefèra, i Hanôka sy i Abidà ary i Eldahà. Ireo rehetra ireo no taranak’i Ketorà.
Na andia-mpifindralasy avy any Temà na andia-mpandranto avy any Sebà dia samy mitazana ny riaka ary samy manantena azy.
Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny an’ireo nosy dia handefa fanomezana ho azy; ny mpanjakan’i Sabà sy ny an’i Sebà kosa ho avy handoa hetra aminy.
Ho ela velona anie ny mpanjaka! Aoka ho volamena avy any Sabà no hatao fanomezana ho azy! Enga anie izy harahim-bavaka lalandava sady horarîna soa isan’andro isan’andro!
Hafatra milohateny hoe «Eo an-tany lavavolo». Any an-kirihitr’ala, eo an-tany lavavolo, no aoka handrianareo amin’ny alina, ry andian’olona avy any Dedàna!
Rameva maro no handrakotra ny taninao, dia andian-drameva avy any Midiana sy Hefà; tonga koa ny olona rehetra avy any Sabà. Volamena sy vovo-javamanitra no hoentiny ary ny fiderana ny TOMPO no hafatra soa hambarany.
–ny mponina any Dedàna sy Temà ary Bozỳ mbamin’ireo olona rehetra mpiharatra fihirifana;
Miverena ilalana, mandosira, ry olon’i Dedàna, misitriha any anaty lava-bato any, satria ny loza, ry taranak’i Hesao, no ataoko mihatra aminareo; izao ny fotoana irotsahako an-tsehatra hamely anareo.
Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara fa haneho ny heriko hamelezana an’i Edôma. Haringako ny olona sy ny biby fiompy amin’io tany io; ary hataoko lao izy, manomboka eo an-tanànan’i Temàna ka hatrany Dedàna, ka ho faty an’ady ny mponina ao aminy.
Ny olona avy any Dedàna kosa nifandray ara-barotra taminao ka nitondra lamba fandrakofan-tsoavaly.
Tamin’izay fotoana izay, dia nisy lehilahy israelita iray nitondra vehivavy midianita hankeo amin’ny mpiray foko aminy, teo imason’i Mosesy sy ny Fiangonana israelita manontolo izay nitomany teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana.
–Faizo ny Midianita noho ny ratsy izay nataony tamin’ny Israelita; aorian’izany, dia ho faty tahaka ireo razanao ianao.