1Tantara 1:23 - DIEM PROTESTANTA mbamin’i Ofîra sy i Havilà ary i Jôbaba: ireo no zanakalahin’i Jôktàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Ofira, i Havila ary i Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Joktana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara mbamin’i Ofîra sy i Havilà ary i Jôbaba: ireo no zanakalahin’i Jôktàna. Baiboly Katolika i Ofira, i Hevilà ary i Jôbada. Izy rehetra ireo dia zanaka lahin’i Jektàna. Baiboly Protestanta Malagasy sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Joktana. Malagasy Bible sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana. La Bible en Malgache i Ofira, i Havila ary i Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Joktana. |
I Pisôna no anaran’ny sampan-drano voalohany; io no manodidina ny tany Havilà manontolo izay misy ny volamena,
Ny nipetrahan’ny taranak’i Jismahela dia ny faritra manomboka eo Havilà ka hatrany Sora; i Sora dia any akaikin’i Ejipta tamin’iny lalana mankany Asora iny. Nihataka tamin’ireo taranak’i Abrahama hafa no nitoerany.
Ny sambon’i Hirama, izay naka volamena avy tany Ôfira, dia nitondra hazo sarobidy betsaka tokoa sy vatosoa.
Ary tonga tany Ôfira ireo ka nahazo volamena 12 taonina mahery ary nitondra izany ho an’i Salômôna mpanjaka.
dia volamena avy any Ôfira, milanja zato taonina; volafotsy madio milanja 240 taonina, natao hapetaka amin’ny ati-rindrina isan’efitrano.
Mamerovero ny fitafianao rehetra fa manitra sahondra sy kanela ary miora; avy ao an-dapanao voaravaka ivoary dia andrenesanao mozika izay ankafizinao.
Hataoko mahalana ny olombelona ka ho saro-tadiavina noho ny volamena madio, mahalana ka ho saro-tadiavina noho ny volamena avy any Ôfira aza.»
Ary i Saoly nandresy ny Hamalekita nanomboka teo Havilà ka hatrany Sòra, atsinanan’i Ejipta.