Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zefania 2:14 - Baiboly Katolika

Eo afovoany no handrian’ny biby fiompy ny biby isan-karazany; ny sama sy ny sokina vy no haka fonenana any amin’ny loha andriny; hisy feo mihira ho re eny am-baravarankely; ary fandravana no ho eo an-tokonana, fa efa nendahana ny peta-kazo sedera.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hisy andiam-biby handry ao aminy, dia ny karazam-biby rehetra; hitoetra ao an-tampon’ny andriny na ny sama na ny sokina; feo mitoloko no ho re avy ao am-baravarankely. Fandravana no ho eo an-tokonana, fa hendahiny ny rafitra sedera.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ao amin’ny toerana nisy an’i Ninive dia handrian’ny omby aman’ondry sy ireo karazam-biby samy hafa; honenan’ny vorondolo sy tararaka eny an-tampon’ireo andrin-tranony, feom-borona no ho re eo am-baravarankely, faharàvana no ho hita raha vao mby eo an-tokonana satria ho voaendaka ny rafitra hazo sedera.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ao amin’ny toerana nisy an’i Ninive dia handrian’ny omby aman’ondry sy ireo karazam-biby samy hafa; honenan’ny vorondolo sy tararaka eny an-tampon’ireo andrin-tranony, feom-borona no ho re eo am-baravarankely, faharàvana no ho hita raha vao mby eo an-tokonana satria ho voaendaka ny rafitra hazo sedera.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian’ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin’ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hisy andiany handry ao aminy, Dia fivorian'ny karazam-biby samy hafa, Ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin'ny kapitaliny; Feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, Ary fandravana no ho eo an-tokonana, Fa hendahany ny rafitra sedera.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hisy andiam-biby handry ao aminy, dia ny karazam-biby rehetra; hitoetra ao an-tampon’ny andriny na ny sama na ny sokina; feo mitoloko no ho re avy ao am-baravarankely. Fandravana no ho eo an-tokonana, fa hendahiny ny rafitra sedera.

Jereo ny toko



Zefania 2:14
8 Rohy Ifampitohizana  

Tafaraikitra amin’ny taolako ny nofoko, azon’ny mitaraina sy misento.


Hataoko fonenan-tsokina, amam-pihandronan-drano izy, ary hofafako amin’ny kofafa fandringanana, - teny ton’i Iavehn’ny tafika. -


sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho, sy efitrano malalaka; dia asiany varavarankely betsaka, ataony tafo sedera, ary hosorany loko mena mivaivay.


Nahita ny Tompo nitsangana teo akaikin’ny ôtely aho, ka hoy izy: «Asio ny koronosy, ary aoka hihozongozona ny tokonana; dia torotoroy izy mamely ny lohan’izy rehetra! Ary izay sisa dia hovonoiko amin’ny sabatra; tsy hisy ho afaka, tsy hisy ho afa-mandositra.


Ny faritanin’ny ranomasina hanjary tany fiandrasana ondry sy zohin’ny mpiandry ondry, ary valan’ondry.


Niantso tamin’ny feo mahery izy, nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony, sy fitoeran’ny fanahy maloto rehetra, ary fieren’ny vorona maloto halan’ny olona rehetra!