Baiboly an-tserasera

dokam-barotra

Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao

Zakaria 9:5 - Baiboly Katolika

Hahita izany i Askalôna, ka hatahotra; i Gazà koa hiolanolana azon’ny fijaliana; ary i Akarôna koa, fa efa ho levona ny fanantenany. I Gazà, tsy hana-mpanjaka intsony, ary tsy honenana intsony i Askalôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

I Askelona dia hahita izany ka ho raiki-tahotra, i Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, ary i Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza ary i Askelona tsy honenana.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hahita izany ny tanànan’i Askelôna, ka dia ho raiki-tahotra, i Gazà koa ho tora-kovitra, ary i Hekrôna ho very fanantenana. Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gazà, ary tsy hisy mponina intsony ao Askelôna;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hahita izany ny tanànan’i Askelôna, ka dia ho raiki-tahotra, i Gazà koa ho tora-kovitra, ary i Hekrôna ho very fanantenana. Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gazà, ary tsy hisy mponina intsony ao Askelôna;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

La Bible en Malgache

I Askelona dia hahita izany ka ho raiki-tahotra, i Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, ary i Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza ary i Askelona tsy honenana.

Jereo ny toko

Zakaria 9:5
18 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona nahafatesan’i Akaza mpanjaka no nivoahan’izao faminaniana izao.

Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Jeremia mpaminany, ny amin’ny Filistinina, fony i Faraôna tsy mbola namely an’i Gazà.

Ny masoandro hiova ho haizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Iaveh, izay sady lehibe no mahatahotra.

Izao no lazain’i Iaveh: «Noho ny heloka telo nataon’i Gazà, - sy noho ny efatra, - tsy hahemotro ny didy. Satria olona babo an’andiany mihitsy no nentiny nataony sesitany mba hatolony ho any Edôma,

haringako ny mponina rehetra ao Azota, sy izay mitana tehim-panjakana ao Askalôna; dia hafotitro amin’i Akarôna indray ny tanako; ka ho faty izay sisa amin’ny Filistinina,» hoy ny Tompo Iaveh.

Indro fa ho azon’ny Tompo izy io; hasiany ny heriny eny amin’ny ranomasina, ary ny tenany ho levonin’ny afo.

Vahiny tsy manjary no haka fonenana ao Azota, ary hofoanako ny avonavon’ny Filistinina.

Ary nisy Anjelin’ny Tompo niteny tamin’i Filipo ka nanao hoe: «Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo any amin’ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gazà, izay tanàna foana.»

ary ny fanantenana tsy mba manodòka, satria efa voarotsaka ao am-pontsika tamin’ny Fanahy Masina nomena antsika ny fitiavan’Andriamanitra.

tsy izany ihany, fa manantena sy matoky aho fa tsy hahazo henatra na amin’inona na amin’inona, fa mainka ho feno ny fahasahiako, ka na dia ankehitriny aza, toraka ny mandrakariva koa, dia homem-boninahitra amin’ny tenako i Kristy, na velona aho, na maty.