Hoambinina ianao amin’izay, raha manampò tokoa ny hanaraka ny lalàna amam-pitsipika nandidian’i Iaveh an’i Môizy ho an’i Israely. Mahereza ary matokia fa aza matahotra na manam-badi-po.
Zakaria 8:9 - Baiboly Katolika Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Aoka hatanjaka ny tananareo, ianareo izay mandre amin’izao andro izao, ireto teny avy amin’ny vavan’ny mpaminany ireto, izay niteny tamin’ny andro nametrahana ny fanorenana ny tranon’i Iavehn’ny tafika, mba ho voaorina indray ny tempoly. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Aoka hatanjaka ny tananareo, dia ianareo izay mandre izany teny izany amin’izao andro izao, avy amin’ny vavan’ny mpaminany izay teo tamin’ny andro nanaovana ny fanorenan’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, mba hanorenana ny tempoly. DIEM PROTESTANTA Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Mahereza, fa efa renareo ankehitriny ny fampanantenana izay nambaran’ny mpaminany tamin’ny andro nametrahana ny fototry ny tranoko mba hanorenana indray ny tempoliko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Mahereza, fa efa renareo ankehitriny ny fampanantenana izay nambaran’ny mpaminany tamin’ny andro nametrahana ny fototry ny tranoko mba hanorenana indray ny tempoliko. Baiboly Protestanta Malagasy Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Aoka hatanjaka ny tànanareo izay mandre izany teny izany amin’izao andro izao avy amin’ny vavan’ny mpaminany, izay teo tamin’ny andro nanaovana ny fanorenan’ny tranon’i Jehovah, Tompon’ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly. Malagasy Bible Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aoka hatanjaka ny tananareo izay mandre izany teny izany amin'izao andro izao avy amin'ny vavan'ny mpaminany, izay teo tamin'ny andro nanaovana ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny nanaovana ny tempoly. La Bible en Malgache Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Aoka hatanjaka ny tananareo, dia ianareo izay mandre izany teny izany amin’izao andro izao, avy amin’ny vavan’ny mpaminany izay teo tamin’ny andro nanaovana ny fanorenan’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, mba hanorenana ny tempoly. |
Hoambinina ianao amin’izay, raha manampò tokoa ny hanaraka ny lalàna amam-pitsipika nandidian’i Iaveh an’i Môizy ho an’i Israely. Mahereza ary matokia fa aza matahotra na manam-badi-po.
Ary hoy i Davida tamin’i Salômôna zanany: «Matanjaha! Mahereza! Miasà! Ary aza matahotra na manam-badi-po, fa i Iaveh Andriamanitra, Andriamanitro homba anao; tsy handao anao Izy, na hahafoy anao, mandra-pahavitan’ny asa rehetra momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.
Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon’i Israely, ka nandroso tsara ny asa, noho ny faminanian’i Akzea mpaminany, sy i Zakaria zanak’i Adô. Nanao izy dia nahavita araka didin’ny Andriamanitr’i Israely sy araka ny didin’i Sirosa, i Dariosa, i Artakserksesa, mpanjakan’i Persa.
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe: Makà hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra, tenany no avy, dia hamonjy anareo.
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka, tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, tamin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, sy tamin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, nanao hoe:
Tamin’izay i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, sy i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, mbamin’ny vahoaka sisa rehetra nihaino ny feon’i Iaveh Andriamaniny, sy ny tenin’i Akjea, mpaminany, araka ny hafatra nomen’i Iaveh Andriamaniny azy, ka natahotra ny vahoaka teo anatrehan’i Iaveh.
Koa diniho hatramin’izao anio izao no mankany, ny hatramin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy, ka hatramin’ny andro nanorenana ny Tempolin’i Iaveh, diniho!
Lazao amin’i Zôrôbabela, governora any Jodà, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany;
Ary hisy toy izao: Toy ny naha-fanozonana anareo tany amin’ny firenena, ry taranak’i Jodà sy taranak’i Israely, no hanafahako anareo, ka hahatongavanareo ho fitsofan-drano. Aza matahotra fa aoka hatanjaka ny tananareo!»
Farany, ry kristianina havana, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny heriny mahefa ny zavatra rehetra.
Koa ny aminao àry, anaka, dia aoka hihamahery amin’ny fahasoavana ao amin’i Kristy Jesoa ianao;
«Matanjaha ary mahereza fo, fa ianao no hampanana ity firenena ity ny tany efa nianianako tamin’ny razany homena azy.
Aoka tsy ho afaka am-bavanao ny bokin’ity lalàna ity, fa hosaintsaininao andro aman’alina sady hotandremanao ny hanao araka izay rehetra voasoratra ao, fa amin’izany dia hiadana amin’ny lalanao rehetra sy hahomby tsara ianao.