Nentin’ny kapitenin’ny mpiambina i Saraiasa mpisorona lehibe, sy i Sôfônia mpisorona ambaratonga faharoa, ary mpiandry varavarana telo lahy.
Zakaria 6:10 - Baiboly Katolika «Handray avy eo an-tanan’ireo babo ianao, dia avy eny an-tanan’i Holdaì sy i Tobia ary i Idaia; - ka ny tenanao no handeha amin’izany andro izany ho any an-tranon’i Josiasa, izay nidiran’izy ireo, nony vao tonga avy any Babilôna izy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mandraisa avy amin’ny fananan’ny babo, dia avy amin’ny fananan’i Helday sy i Tobia ary i Jedaia, eny, mandehana ianao izao anio izao ihany ka midira ao an-tranon’i Josia, zanak’i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babilona izy. DIEM PROTESTANTA –Raiso ny fanomezana entin’i Helday sy i Tôbià ary Jedahià, ka mankanesa izao anio izao any an-tranon’i Jôsià zanakalahin’i Tsefanià, ilay novantanin’izy telo lahy raha vao tonga avy tany Babilôna izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Raiso ny fanomezana entin’i Helday sy i Tôbià ary Jedahià, ka mankanesa izao anio izao any an-tranon’i Jôsià zanakalahin’i Tsefanià, ilay novantanin’izy telo lahy raha vao tonga avy tany Babilôna izy. Baiboly Protestanta Malagasy Mandraisa avy amin’ny babo, dia amin’i Helday sy Tobia ary Jedaia, eny, mandehana amin’izany andro izany ihany hianao, ka midira ao an-tranon’i Josia, zanak’i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babylona izy,– Malagasy Bible Mandraisa avy amin'ny babo, dia amin'i Helday sy Tobia ary Jedaia, eny, mandehana amin'izany andro izany ihany ianao, ka midìra ao an-tranon'i Josia, zanak'i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babylona izy, La Bible en Malgache Mandraisa avy amin’ny fananan’ny babo, dia avy amin’ny fananan’i Helday sy i Tobia ary i Jedaia, eny, mandehana ianao izao anio izao ihany ka midira ao an-tranon’i Josia, zanak’i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babilona izy. |
Nentin’ny kapitenin’ny mpiambina i Saraiasa mpisorona lehibe, sy i Sôfônia mpisorona ambaratonga faharoa, ary mpiandry varavarana telo lahy.
Ny rahalahinao rehetra dia naverin’izy ireo, avy amin’ny firenena rehetra, ho fanatitra ho an’i Iaveh; haveriny mitaingin-tsoavaly, ambony kalesy, am-pilanjana, mitaingina mole aman-drameva, ho ao amin’ny tendrombohitro masina, ho any Jerosalema, hoy i Iaveh, toy ny itondran’ny zanak’i Israely ny fanatitra ao anaty lovia, any an-tranon’i Iaveh.
ka hoy i Jeremia mpaminany: «Amen! Hataon’i Iaveh anie izany! Hotanterahin’i Iaveh anie ny teny vao avy novinaninao, amin’ny famerenany avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’i Iaveh mbamin’ny babo rehetra, ho amin’ity fitoerana ity indray.
Nony afaka taona maro, dia tonga nitondra fiantrana ho an’ny fireneko aho, sy nanolotra fanatitra.