Sady nivavaka i Elisea nanao hoe: «Iaveh ô, sokafy ny masony, mba hahitany.» Ary nosokafan’i Iaveh ny mason’ilay mpanompo, ka nahita izy, ary indro feno soavaly aman-kalesy afo, manodidina an’i Elisea, ny tendrombohitra.
Zakaria 6:1 - Baiboly Katolika Natopiko indray ny masoko ka nahita aho: Dia indro kalesy efatra nivoaka avy tao anelanelan’ny tendrombohitra roa, ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa indreo, kalesy fitondra miady efatra nivoaka avy teo anelanelan’ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo. DIEM PROTESTANTA Mbola nanopy maso indray aho, ka indreo hitako nisy kalesy efatra nipoitra avy teo anelanelan’ny tendrombohitra varahina roa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mbola nanopy maso indray aho, ka indreo hitako nisy kalesy efatra nipoitra avy teo anelanelan’ny tendrombohitra varahina roa. Baiboly Protestanta Malagasy ARY natopiko indray ny masoko ka hitako fa, indreo, nisy kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan’ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo. Malagasy Bible Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa, indreo, nisy kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan'ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo. La Bible en Malgache Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa indreo, kalesy fitondra miady efatra nivoaka avy teo anelanelan’ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo. |
Sady nivavaka i Elisea nanao hoe: «Iaveh ô, sokafy ny masony, mba hahitany.» Ary nosokafan’i Iaveh ny mason’ilay mpanompo, ka nahita izy, ary indro feno soavaly aman-kalesy afo, manodidina an’i Elisea, ny tendrombohitra.
Raha manome fiadanana Izy, zovy no hitaraina amin’izany? Raha manafin-Tava Izy, zovy no ho afa-mahita Azy, na firenena izany, na olona tsirairay no anaovany izany,
Fa ny hevitr’i Iaveh kosa maharitra mandrakizay ny fisainan’ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby rehetra.
Ry Iaveh ô, mipaka amin’ny lanitra ny hatsaram-ponao, mihatra amin’ny rahona ny fahamarinanao.
Izaho no Andriamanitra. Amin’ny sisa Izaho ihany koa no izy, ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako; Hiasa Aho, ka zovy moa no hahasakana izany?
Satria indro i Iaveh tamy ao amin’ny afo; ary ny kalesiny dia sahala amin’ny tadio, hamoaka ny fahatezerany amim-pitenenana, sy ny fandrahonany amin’ny afo midedadeda.
Indro izy miakatra toy ny rahona; tahaka ny tadio ny kalesiny; miriotra faingana mihoatra noho ny voromahery ny soavaliny. Loza ho antsika fa ringana isika ity!
Ary namaly ahy ny Anjely, ka nanao hoe: «Ireo no rivotra efatry ny lanitra tonga avy nitsangana teo anatrehan’ny Tompon’ny tany rehetra.
Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rehefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasàn’Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony,
Esoriny amin’ny vovoka ny mahantra; atsangany hiala amin’ny zezika ny tsy manana, hampiarahiny mitoetra amin’ny mpanjaka, ary homeny seza fiandrianana be voninahitra ho anjarany. Fa an’i Iaveh ny andrin’ny tany, ary teo amboniny no nametrahany ny tany.