Hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, atopazo mianavaratra ny masonao.» Dia natopiko mianavaratra ny masoko, ka indro, teo avaratry ny vavahadin’ny ôtely, eo amin’ny fidirana, nisy ilay sampin’ny fialonana io.
Zakaria 5:5 - Baiboly Katolika Niseho indray ilay Anjely niresaka tamiko, ary nanao tamiko hoe: «Atopazo ny masonao, ka jereo io miseho io.» Dia hoy aho: «Inona io?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nandroso ilay anjely niresaka tamiko ka niteny tamiko hoe: Atopazy ny masonao ka jereo io zavatra miseho io. DIEM PROTESTANTA Niseho indray ilay anjely niresaka tamiko ka nanao hoe: –Atopazy ny masonao, ka jereo irỳ mipoitra irỳ? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niseho indray ilay anjely niresaka tamiko ka nanao hoe: –Atopazy ny masonao, ka jereo irỳ mipoitra irỳ? Baiboly Protestanta Malagasy Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io. Malagasy Bible Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io. La Bible en Malgache Dia nandroso ilay anjely niresaka tamiko ka niteny tamiko hoe: Atopazy ny masonao ka jereo io zavatra miseho io. |
Hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, atopazo mianavaratra ny masonao.» Dia natopiko mianavaratra ny masoko, ka indro, teo avaratry ny vavahadin’ny ôtely, eo amin’ny fidirana, nisy ilay sampin’ny fialonana io.
Ary ity Anjely niresaka tamiko kosa nanao tamiko hoe: Ataovy antso avo izao: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Efa azon’ny fahasaro-piaro mafy, an’i Jerosalema sy an’i Siôna Aho.
Ka hoy aho: Inona ireo, tompoko? Dia hoy ilay Anjely niresaka tamiko: Hasehoko anao ny amin’ireo.
Namaly ilay Anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: «Tsy fantatrao va ny hevitr’ireo zavatra ireo?» Ary hoy ny navaliko azy: «Tsia, tompoko.»