Tamin’ny fahorian’ireo rehetra, niory koa izy, ary ny Anjelin’ny tavany namonjy azy ireo. Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony dia ny Tenany no nanavotra azy ireo; nanohana sy nivimbina azy, nandritra ny andro rehetra fahiny.
Zakaria 3:6 - Baiboly Katolika Ka izao no fanambaràna nolazain’ilay Anjelin’i Iaveh, tamin’i Jesosy: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ilay Anjelin’NY TOMPO dia nanao izao fanambaràna izao tamin’i Josoa hoe: DIEM PROTESTANTA Ary nilaza fanambarana tamin’i Josoa ilay anjelin’ny TOMPO nanao hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nilaza fanambarana tamin’i Josoa ilay anjelin’ny TOMPO nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy Ary Ilay Anjelin’i Jehovah nilaza marimarina tamin’i Josoa hoe: Malagasy Bible Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nilaza marimarina tamin'i Josoa hoe: La Bible en Malgache Ary ilay Anjelin’NY TOMPO dia nanao izao fanambaràna izao tamin’i Josoa hoe: |
Tamin’ny fahorian’ireo rehetra, niory koa izy, ary ny Anjelin’ny tavany namonjy azy ireo. Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony dia ny Tenany no nanavotra azy ireo; nanohana sy nivimbina azy, nandritra ny andro rehetra fahiny.
Fa ny razanareo efa nanariko mafy; hatramin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, ka mandraka androany; tsy nitsahatra ny nananatra azy ireo Aho nanao hoe: Henoy ny feoko!
Mbola tao am-bohoka i Jakôba nanongona ny rahalahiny, ary tamin’ny fahavitrìhany dia nitolona tamin’Andriamanitra.
Nasehony ahy i Jesosy, mpisorona lehibe, nitsangana teo anatrehan’ilay Anjelin’i Iaveh, ary i Satana nitsangana teo ankavanan’io mba hanohitra azy.
Ary hoy aho: «Aoka hasiana hamama madio eo an-dohany.» Dia nasian’izy ireo hamama madio teo an-dohany, sady notafiany izy; ary nitsangana teo ilay Anjelin’i Iaveh.
Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Raha mizotra amin’ny lalako ianao sy mahatoky ianao amin’ny fanaovana ny raharahako, dia hanapaka ny tranoko koa ianao; sy hiambina ny kianjako, sady havelako malalaka hiditra ho isan’ireto izay mitoetra atỳ.