Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 3:3 - Baiboly Katolika

Ary nitafy maloto i Jesosy sy nitsangana teo anatrehan’ilay Anjely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Josoa dia nijoro teo anoloan’ilay Anjely tamin’ny fitafiana maloto.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary nitafy akanjo maloto i Josoa no nitsangana teo anoloan’ilay anjely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nitafy akanjo maloto i Josoa no nitsangana teo anoloan’ilay anjely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan’Ilay Anjely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Josoa nitafy fitafiana maloto ary nitsangana teo anoloan'Ilay Anjely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Josoa dia nijoro teo anoloan’ilay Anjely tamin’ny fitafiana maloto.

Jereo ny toko



Zakaria 3:3
12 Rohy Ifampitohizana  

Ka nitsangana nanomboka ny fanaovana ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema indray i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, sy i Jôsoe zanak’i Josedeka, ary niaraka taminy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra nanampy azy.


Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, marina Ianao, izahay ankehitriny dia ireto sisan’izay afaka fotsiny ihany; indreto izahay mbamin’ny otanay eto anatrehanao, fa tsy mety ho velona eo anoloan’ny Tavanao izahay noho izany ota izany.»


Rehefa voasasan’i Iaveh, ny loton’ny zanaka vavin’i Siôna, ka voadiony i Jerosalema amin’ny ra izay eo afovoany, amin’ny fanahin’ny fitsarana amam-panahin’ny fandringanana,


Izahay rehetra dia efa tahaka ny olona maloto; ary ny fahamarinanay rehetra, toy ny akanjo maloto. Malazo toy ny ravina avokoa izahay, ary ny helokay, mipaoka anay toy ny rivotra.


Tsy nisy olona niantso ny Anaranao, nifoha mba hifikitra aminao. Fa nafeninao taminay ny Tavanao, ary navelanao ho levona ao anatin’ny fahotana izahay.


Raha, ohatra, ka misy olona miditra amin’ny fivorianareo: ny iray miperatra volamena sy mitafy sarobidy, ary ny iray kosa mahantra ratsy fitafiana,


afaho amin’ny afo no famonjy ny sasany; ary ny sasany indray amindrao fo, fa amin-tahotra, ka ankahalao na hatramin’ny akanjo voaloton’ny nofo aza.


rongonim-bazaha madinika fotsy mamirapiratra no nomena hitafiany, dia ny asa soan’ny olo-masina izany.»