Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Zakaria 13:8 - Baiboly Katolika

Amin’ny tany rehetra, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, - ny androatokony haringana ho faty, ary ny ampahatelony sisa, havela ho ao ihany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary amin’ny tany rehetra, hoy NY TOMPO, ny androatokony ao dia haringana ho faty, fa ny ampahatelony sisa ao no havela.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia hoy indray ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ho faty ny androatokon’ny mponina amin’ny firenena manontolo, fa ny ampahatelony ihany sisa no ho velona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia hoy indray ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ho faty ny androatokon’ny mponina amin’ny firenena manontolo, fa ny ampahatelony ihany sisa no ho velona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary amin’ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary amin'ny tany rehetra, hoy Jehovah, ny androatokony dia haringana ho faty ao; fa ny ampahatelony sisa no havela ao kosa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary amin’ny tany rehetra, hoy NY TOMPO, ny androatokony ao dia haringana ho faty, fa ny ampahatelony sisa ao no havela.

Jereo ny toko



Zakaria 13:8
34 Rohy Ifampitohizana  

Ary na ny ampahafolon’ny mponina aza no sisa eo, dia mbola haripaka indray ihany koa ireo. Kanefa toy ny terebinta sy ny aoka, rehefa voakapa mbola manam-pototra; ny fototr’i Israely, dia ho tsimoka masina.»


Ary rehefa nivoaka izy ireo, dia hahita ny fatin’ireo olona niodina tamiko; fa ny kankan’ireny tsy ho faty ny afony tsy hovonoina, ary izy dia ho zava-maharikoriko amin’ny nofo rehetra.


Fa momba anao Aho, - teny marin’i Iaveh, - hamonjy anao; hataoko ringana ny firenena rehetra nampielezako anao. Fa ianao kosa, tsy mba haringako; hofaiziko ara-drariny ihany ianao, fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.


Havahako hiala aminareo ireo mpiodina, sy ireo niendaka tamiko; hotsoahako avy any amin’ny tany nivahiniany ihany izy, nefa tsy mba ho tonga any amin’ny tanin’i Israely; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.


Ny ampahatelon’ny zanakao, ho fatin’ny pesta na ho levon’ny mosary eo aminao; ny ampahatelony, ho lavon’ny sabatra eny manodidina anao rehetra eny; ary ny ampahatelony haeliko any amin’ny vazantany rehetra; sady hanatsoahako sabatra avy ato aoriana.


Ho fatin’ny sabatra avokoa ny mpanota, amin’ny vahoakako, izay manao hoe: Tsy hanakaiky anay akory ny loza tsy hahatratra anay akory ny loza.


Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray izay hatoky ny Anaran’i Iaveh.


Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.


Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany, ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany, sy nandoro ny tanànany.


Ary raha tsy nohafohezin’ny Tompo izany andro izany, dia tsy hisy olona ho voavonjy; fa nohafoheziny izany noho ny olom-pinidy izay nofidiny.


Nivaky telo terỳ ny tanàna lehibe, nirodana avokoa ny vohitry ny firenena maro; ary notsarovan’Andriamanitra i Babilôna lehibe, mba hampisotroany azy ny kapoakan-divain’ny fahatezerany mirehitra.