Dia niantso mafy tokoa izy ireo sady nitetika ny tenany tamin’ny sabatra aman-defona araka ny fanaony mandra-piloa-dra ny tenany.
Zakaria 13:6 - Baiboly Katolika Ary hisy hilaza aminy hoe: «Ka inona itony ratra amin’ny tananao itony?» ary hovaliany hoe: «Ny nahavoa ahy toy izao dia tao an-tranon’ny sakaizako.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hisy hilaza aminy hoe: Koa inona itony ratra eny amin’ny tratranao itony? Dia hovaliny hoe: Naratra tao an-tranon’ny sakaizako ireny. DIEM PROTESTANTA Ary raha misy manontany azy hoe: «Inona itony ratra amin’ny tratranao itony?», dia hovaliany hoe: «Ratra azoko tany an-tranon’ny namako ireny!» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary raha misy manontany azy hoe: «Inona itony ratra amin’ny tratranao itony?», dia hovaliany hoe: «Ratra azoko tany an-tranon’ny namako ireny!» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin’ ny tànanao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon’ny sakaizako ireny. Malagasy Bible Dia hisy hanao aminy hoe: Ka inona itony ratra amin'ny tananao itony? Dia hovaliany hoe: Naratra tao an-tranon'ny sakaizako ireny. La Bible en Malgache Dia hisy hilaza aminy hoe: Koa inona itony ratra eny amin’ny tratranao itony? Dia hovaliny hoe: Naratra tao an-tranon’ny sakaizako ireny. |
Dia niantso mafy tokoa izy ireo sady nitetika ny tenany tamin’ny sabatra aman-defona araka ny fanaony mandra-piloa-dra ny tenany.
Fa noraisin’i Jehò teo an-tanany kosa ny tsipìkany, nasiany i Jôrama teo anelanelan’ny sorony; tafagorobaka tamin’ny fony ny zana-tsipìka, ka nitambotsotra tao anaty kalesiny tao i Jôrama.
Maina tahaka ny tavim-bilany tany ny heriko, ary miraikitra amin’ny lanilaniko ny lelako; mampandry ahy ao amin’ny vovoky ny fahafatesana Ianao.
Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandry ondriko sy hamely ny lehilahy namako! - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Kapohy ny mpiandry, hihahàfan’ny ondry. Dia hamerina ny tanako ho amin’ny madinika Aho.
Dia namaly i Pilaty nanao hoe: «Fa izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao?»
Ary hiakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny fijalian’izy ireo, ka tsy hahita hianînana na andro na alina izay nivavaka tamin’ny Biby sy ny sariny, ary izay nandray ny mariky ny anarany.