Fa ho velona ny firenena amam-panjakana tsy hanompo anao, hofongorana mihitsy izany firenena izany.
Zakaria 12:3 - Baiboly Katolika Ary dia hisy zavatra toy izao amin’izany andro izany: i Jerosalema hataoko vato haingaina ho an’ny firenena rehetra; ka izay hanainga azy haratra mafy avokoa, ary hiangon-kamely azy, ny firenena rehetra amin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary amin’izany andro izany i Jerosalema dia hataoko vato mitambesatra amin’ny firenena rehetra ka haratra mafy izay rehetra mitady hanainga azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin’ny tany. DIEM PROTESTANTA Ary amin’izany andro izany i Jerosalema dia hataoko toy ny vongam-bato mavesatra eo anoloan’ny firenena rehetra; ka haratra tokoa izay mitady hanainga izany. Koa ny firenena rehetra ambonin’ny tany hiray no hiady hamely ny tanàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary amin’izany andro izany i Jerosalema dia hataoko toy ny vongam-bato mavesatra eo anoloan’ny firenena rehetra; ka haratra tokoa izay mitady hanainga izany. Koa ny firenena rehetra ambonin’ny tany hiray no hiady hamely ny tanàna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary amin’izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an’ny ny firenena rehetra, ka haràtra dia haràtra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin’ny tany. Malagasy Bible Ary amin'izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an'ny ny firenena rehetra, ka haràtra dia haràtra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin'ny tany. La Bible en Malgache Ary amin’izany andro izany i Jerosalema dia hataoko vato mitambesatra amin’ny firenena rehetra ka haratra mafy izay rehetra mitady hanainga azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin’ny tany. |
Fa ho velona ny firenena amam-panjakana tsy hanompo anao, hofongorana mihitsy izany firenena izany.
Ny taranak’i Jakôba, ho afo; ny taranak’i Josefa, ho lelafo; ary ny taranak’i Esao kosa, ho bozaka; ka harehitr’ireo izy sy holevoniny, dia tsy hisy miangana ny taranak’i Esao, fa i Iaveh no efa niteny.
Aoka hiainga ny tananareo hamely izay manohitra anareo, ary aoka ho ringana ny fahavalonareo!
Fa hitsingerina aminao ny fahasiahana namelezana an’i Libàna mbamin’ny fandringanana ny biby raiki-tahotra mahatsiravina, noho ny ran’olona nalatsaka, sy ny loza natao tamin’ny tany, na tamin’ny tanàna na tamin’ny mponina rehetra ao aminy.
Amin’izany andro izany hofaranako ny amin’ny momba an’ireo rehetra mpampahory anao: Hovonjeko ikala mandringa, hangoniko ikala voaroaka, ka hataoko be voninahitra sy malaza izy ireo, any amin’ny tany rehetra nanakoràna azy.
haongako ny seza fiandrianan’ny fanjakana, hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena; hazerako ny kalesy fiadiana mbamin’ny mpitaingina azy; ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy.
Amin’izany andro izany, ao Jerosalema, hisy fisaonana lehibe toy ny fisaonana tao Adadremôna, amin’ny lohasahan’i Magedao.
Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, - hataoko azon’ny fahatahorana mafy ny soavaly rehetra, ary azon’ny fahaverezan-kevitra ny mpitaingina azy; ny taranak’i Jodà, hisokafan’ny masoko; fa ny soavalin’ny firenena kosa, hasiako fanjambana avokoa.
Amin’izany andro izany, ireo filohan’i Jodà, hataoko toy ny fatana mivaivay ao amin’ny hazo, toy ny fanilo mirehitra, ao anaty amboaram-bary, ka handevona ny firenena rehetra manodidina eo amin’ny ankavanana sy eo amin’ny ankavia, ary i Jerosalema dia mbola ho eo amin’ny fitoerana ao Jerosalema ihany.
Amin’izany andro izany, hisy loharano hisokatra, ho an’ny taranak’i Davida sy ny mponina ao Jerosalema, hanasa ny fahotana amam-pahalotoana.
Amin’izany andro izany dia hisy zavatra toy izao: Avy amin’i Iaveh no hisian’ny fikorontanana lehibe eo amin’izy ireo, ka samy hisambotra ny tanan’ny rahalahiny avy ny olona, sady hanainga tanana hamely ny namany avy.
Amin’izany andro izany, dia hisy zavatra toy izao: ny mazava tsy hisy, fa ny hatsiaka sy ny ranomandry.
Izay ho lavo amin’ny ity vato ity dia ho torotoro; ary izay hianjeran’ity vato ity dia ho mongomongo.
Izay rehetra lavo amin’izany vato izany dia ho torotoro, ary izay hianjerany dia ho mongomongo.
Fanahin-devoly ireo, ary manao fahagagana sy mankany amin’ny mpanjakan’ny tany rehetra, mba hamory azy ho amin’ilay andro lehiben’Andriamanitra tsitoha. -