Nandritra ny andro rehetra niainan’i Salômôna izy, dia nitsangan-ko fahavalon’i Israely, nanampy ny ratsy nafitsok’i Adada, ary nankahala an’i Israely. Nanjaka tamin’i Siria izy.
Zakaria 11:8 - Baiboly Katolika Telo no mpiandry noesoriko tanatin’ny iray volana monja. Ary izaho, tsy nahatsindry fo tamin’ny ondry; izy ireo koa tofoka ahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nandringana ny mpiandry ondry telo tamin’ny iray volana aho fa tsy nahatsindry fo taminy intsony sady tofoka ahy koa ireo. DIEM PROTESTANTA Tao anatin’ny iray volana monja dia telo ny mpiandry azy no noroahiko; avy eo dia lotika tamin’ny ondry ny foko, sady izy koa efa tofoka ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tao anatin’ny iray volana monja dia telo ny mpiandry azy no noroahiko; avy eo dia lotika tamin’ny ondry ny foko, sady izy koa efa tofoka ahy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nandringana ny mpiandry ondry telo Aho tamin’ny iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny. Malagasy Bible Ary nandringana ny mpiandry ondry telo Aho tamin'ny iray volana, fa tsy nahatsindry fo taminy intsony, sady tofoka Ahy ny fanahiny. La Bible en Malgache Ary nandringana ny mpiandry ondry telo tamin’ny iray volana aho fa tsy nahatsindry fo taminy intsony sady tofoka ahy koa ireo. |
Nandritra ny andro rehetra niainan’i Salômôna izy, dia nitsangan-ko fahavalon’i Israely, nanampy ny ratsy nafitsok’i Adada, ary nankahala an’i Israely. Nanjaka tamin’i Siria izy.
Dia nirehitra tamin’ny vahoakany ny fahatezeran’i Iaveh, ary tonga tsy tiany mainty ny lovany.
Fa Ianao tsy mba Andriamanitra mankasitraka ny ratsy; ny mpanota tsy afaka hiara-kitoetra Aminao.
Izao no lazain’i Iaveh, ilay Mpanavotra sy ilay Masin’i Israely; amin’ilay esoina sy tevatevain’ny vahoaka, mpanompon’ny mpanapaka masiaka: «Hahita anao ny mpanjaka, ka hitsangana; ary ny mpanapaka, ka hiankohoka, noho ny amin’i Iaveh izay mahatoky, sy ilay Masin’i Israely izay nifidy anao.»
Zary toa liona an’ala ho ahy ny lovako, nanandra-peo manerona ahy izy, ka tonga halako.
Noho ny Anaranao, aza dia atao tsinontsinona, aza dia hamavoina ny seza fiandrianan’ny voninahitrao. Tsarovy fa aza tsoahana ny fanekenao taminay.
Volafotsy farany, hoy ny olona: satria efa nataon’i Iaveh ao amin’ny fanarian-javatra izy ireo.
mba hahavoazako ny taranak’i Israely amin’ny fony satria efa nivily niala tamiko izy mbamin’ny sampin-dozany rehetra.
Tena zanaka vavin’ny reny nanary vady aman-janaka ianao; sady rahavavin’ny rahavavinao nanary vady aman-janaka koa; Heteanina ny reninareo, ary Amôreana ny rainareo.
Very noho ny tsy fahalalana ny vahoakako; noho ianao nanary ny fahalalana, dia hariako tsy ho amin’ny fisoronako koa ianao. Nanadino ny lalàn’Andrianatrao ianao; ka hanadino ny zanakao koa Aho.
Namitaka an’i Iaveh izy ireo, fa niteraka zaza hafa firenena; ary ankehitriny ho levon’ny volana ambony izy mbamin’ny ananany.
Any Galgalà ny faharatsiany rehetra; fa tany no vao nankahalako azy. Noho ny faharatsian’ny ataony, horoahiko hiala ao an-tranoko izy; tsy hanam-pitiavana azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
Horavako ny fitoerana avonareo, hazerako ny tsangam-bato natokanareo ho an’ny masoandro; hampifanongoaviko amin’ny fatin-tsampin-dozanareo ny fatinareo, ary harian’ny fanahiko amim-paharikorikoana ianareo.
Na dia amin’izany aza anefa, rehefa mby any an-tanim-pahavalony izy ireo, tsy dia hariako na ho halako hataoko levona mihitsy sy hahatapaka ny fanekeko taminy; fa Izaho no Iaveh Andriamaniny.
Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho, ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak’izany!»
Fa nankahala azy kosa ny vahoaka iray tanindrazana aminy ka nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe: Tsy tianay hanjaka aminay iny lehilahy iny.
Satria tsy mahay mankahala anareo izao tontolo izao, fa Izaho no halany, noho Izaho milaza fa ratsy ny asany.
Ary ny oloko marina ho velona amin’ny finoana, fa izay mihataka kosa tsy mba ankasitrahin’ny foko.